Alatsinainy 9 Jona 2025
Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Jaona 3:7
Ny Fanahin’ny fahamarinana… mitoetra eo aminareo… ary ho ao anatinareo. Jaona 14:17
Ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo. 1 Korintiana 3:16
„Nobeazina tao amin’ny Fiangonana katolika aho. Natao batisa mbola zaza aho, ary rehefa 7 taona teo ho eo dia nentin’ny renibeko nitsidika fiangonana iray. Olona tsotra sy tsy mpankany am-piangonana loatra izy, nilaza tamiko hoe Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, ary maty teo amin’ny hazofijaliana mba hamafa ny fahotantsika. Rehefa 17 taona aho dia nifandray tamina kristiana somary hafa, nandritra ny fankalazana iray nahatsapako finoana lalina sy fitiavam-bavaka, nefa nahamarihako fahasamihafana tamin’ny faharesen-dahatro sasantsasany teo aloha.
Rehefa 19 taona aho dia tafaverina tanteraka tamin’Andriamanitra, izany hoe nahazo antoka fa voavonjy, miaina fahasambarana mandrakizay miaraka aminy. „Nateraka indray” aho izany. Nandray ny fiainana mandrakizay tamin’ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika. Nefa tao amin’ny fanofanana ahy ho kristiana, dia nisy fahamarinana hitako toa tsy nampianarina tsara na tsy ampy, ary koa fahalalana nanampiana ny fampianaran’ny Baiboly. Koa tokony nandalina ireo fototra iorenan’ny finoana kristiana aho, ary navelan’Andriamanitra hanohy ny lalako mankany amin’ny fahamarinana ara-Baiboly.
Nisy zavatra tsy ampy koa tamiko : mbola tsy nahatsapa aho hoe nitoeran’ny Fanahy Masina. Amin’ny maha Andriamanitra Azy tokoa mantsy, dia tonga Izy mba honina ao amin’ny kristiana. Araka izany, tatỳ aoriana dia tsapako, noho ny fahasoavana, ny fisian’ny Fanahy ato anatiko : famantarana zara raha tsapa, tsy manaitra, nefa azo antoka ary tena nanazava ahy aoka izany.”
Gérard„Ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, araka ny teny fikasana” (Efesiana 1:13).