Alahady 8 Jona 2025
Kristy Jesosy no fehizoro indrindra ; ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo. Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo, ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy. Efesiana 2:20-22
Fony tanora i Guido dia mpamboly tany Italia. Tonga tany Frantsa izy mba hiasa, ka nanjary mpandatsa-biriky, voatendry hikojakoja orinasa iray fanamboaran-javatra. Efa feno fanajana lalina an’Andriamanitra hatrizay hatrizay i Guido. Na tany an-tsaha na tany an-toeram-piasana, dia tsy zakany ny vazivazy momba ny fivavahana.
Indray andro, efa telopolo taona mahery kely teo izy tamin’izay, dia nisy olona nanome Baiboly azy. Novakiny izany, ka nivoatra tsikelikely ny fiainam-panahiny. Nivoatra avy tamina fanajana feno fahatahorana ny Tompo izy, ho amina fahalalana mitera-boka-tsoa ny fitiavany. Dia nifandray tamina mpino maro hafa izy, ka nahita zavatra iray vaovao taminy : takany ny tena atao hoe Fiangonana. Na mizarazara aza ny Fiangonana, dia trano fanahy voarafitra singa maro ara-panahy, izany hoe ireo mpino mihitsy. „Atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona, ho trano fanahy”, hoy ny apostoly amintsika (1 Petera 2:5).
Satria olona resy lahatra i Guido, ilay mpandatsa-biriky, dia nampihatra io zavatra vaovao hitany io. „Vato madinika iray ao amin’ny Tranon’ny Tompo aho”, hoy izy. Any amin’ny tany niaviany mantsy dia maro ny trano vita amina vato atambatambatra amin’ny sokay. Vato vaventy no ilaina, hanaovana ny lafin-drindrina sy ny zorony ; nefa misy vato madinika ilaina ihany koa, mba hikakàna ireo vato vaventy ireo. Samy manana ny ilàna azy ny vato tsirairay.
Toy izany koa isika, ao amin’ny Fiangonana. Samy manana ny anjara asantsika manokana avy isika tsirairay, anjara asa izay tsy hita ny tena dikany, raha tsy eo amin’ny fifandrimbonan’ny rehetra. Mivelatra sy mihamitombo ny finoana, ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana.