Asabotsy 7 Jona 2025

Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy ! Isaia 5:20

Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy… nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany. Titosy 2:13-14

 

Safotofoto ara-toe-panahy

„Very hevitra izao tontolo misy antsika izao, manara-drian-drano isika, difotry ny zava-mitranga, mirenireny any amin’izay itondran’ny rivotra antsika. Tsy maintsy mamerina indray ny fitodika isika.” Izany zavatra tsapa-na mpitsabo ara-tsaina iray izany dia mamintina tsara ny toetran’ny fiarahamonina tandrefana. Heverina ho lany andro ny fitsipi-pitondrantena fahiny niorina tamin’ny tantaran’ny jiosy sy kristiana. Ka mihambo hanome fironana ara-toe-panahy miainga amina fototra miovaova ireo komity misahana ny haifitondrantena. Volavolain’ny mpamoromporon-kevitra sy mpitaona isan-karazany ny fieritreretana.

Ny mpino dia mahalala fa tsy miova Andriamanitra. Inona moa no fitodika iverenana indray, raha tsy ny fitsipi-pitondrantenan’Ilay namorona antsika ? Andriamanitra dia nanome izany antsika ao amin’ny Baiboly, ilay hany famantarana ampiasaina maneran-tany momba ny tsara sy ny ratsy. Anisan’ny zavatra lazainy ny hoe : „Aza mitsiriritra” (Eksodosy 20:17). Nefa ve isika matetika tsy tarihin’ny faniriantsika sy ny fitsiriritantsika ? Ary momba izany, iza no afaka mamerina fitodika indray ? Tokony hiaiky isika rehetra fa tsy mahatanteraka izany ary tsy mahomby manoloana ny zavatra takin’Andriamanitra.

Tsy miova Andriamanitra ao amin’ny toetrany masina, ary tsy miova ihany koa ao amin’ny fitiavany. Nirahiny Jesosy Kristy Zanany ho etỳ amin’ity tontolo mivembena ity. Nahatanteraka ny lalànan’Andriamanitra Izy tamin’izany. Nivesatra ny ratsy nameno ny fontsika Izy teo amin’ny hazofijaliana, mba hanadio antsika „ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra”. Niaretany ny famaizana ho an’ireo rehetra mibebaka. Ary mahatalanjona ! fa manome azy ireo aina vaovao Izy, mba hanangana ho an’Andriamanitra „olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara”. Eny, ny fitodika dia Jesosy. Andriamanitra lehibe Mpamonjinao ve Izy ?