Zoma 6 Jona 2025
[Jesosy Kristy] nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. 1 Jaona 3:16
Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia. Jaona 13:35
Ny takelaka fanazavana omaly dia nampahatsiahy ny nataon’i Jesosy mba hamonjeny ny olona tsirairay anisan’„ny maro” izay mino. Anio, ndao handinika izay andrasan’i Jesosy amintsika tsirairay. Ankehitriny, satria namonjy antsika Izy, dia taomina isika „hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy”. Tsy midika tsy akory izany, hoe ho faty toy ny nahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, fa ho velona ho an’ireo rahalahy sy anabavy, toy ny nataony fony Izy tetỳ an-tany.
Ao amin’ny tapany voalohany amin’ny andininy androany, ny matoanteny grika adika hoe „Izy (Jesosy Kristy) nanolotra ny ainy” dia milaza asa natao indray mandeha tsy miverina, tamina fotoana iray voafaritra tsara. Jesosy „rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra” (Hebreo 10:12). Jesosy koa, teo amin’ny hazofijaliana, nahatsiaro tena tanteraka, dia niteny hoe : „Vita” (Jaona 19:30), talohan’ny nanolorany an-tsitrapo ny ainy.
Ao amin’ny tapany faharoa amin’io andininy io, hoe „isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy”, dia hafa ny matoanteny grika fototra ampiasaina, ary milaza asa mitohy tsy mitsahatra mandraka ankehitriny. Ny apostoly Paoly dia mampirisika hoe : „Noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany” (Romana 12:1).
Ilay nanolotra ny ainy ho antsika dia mitaona antsika hanolotra ny tenantsika ho velona ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika ao amin’i Kristy.
„Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana” (Galatiana 6:10).
(tapitra)