Alatsinainy 2 Jona 2025
Andrea… no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy : Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika, ny Kristy). Jaona 1:40-41
Dia hoy Jesosy taminy : Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. Matio 4:19-20
Angamba i Andrea no voalohany tamin’ireo apostoly roambinifolo nanaraka an’i Jesosy. Tsy nijanona teo anefa izy, fa niresaka momba an’i Jesosy tamin’i Simona Petera rahalahiny : „Efa nahita ny Mesia izahay”. Mbola be noho izany aza ny nataony : nitondra an’i Petera hihaona amin’i Jesosy izy. Avy eo izy dia niala, ary Jesosy no nijery an’i Petera sy nanova ny anarany.
Nandeha teny amoron’ny ranomasin’i Galilia Jesosy, ary nahita an’i Petera sy Andrea nandatsaka ny haratony tany anaty rano. Nantsoiny izy ireo : „Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo”. Dia nandao ny asany ireo ary nanaraka an’i Jesosy.
Andrea dia olona nanetry tena, fantany ny fotoana tokony hanaovana ny tsara, na dia amin-javatra tsy misy lanjany loatra aza. Izy no nanondro tamin’i Jesosy ilay zazalahy kely nanana mofo dimy sy hazandrano roa (Jaona 6:9). Dia ny zavatra kely nomen’io zaza io no namahanan’ny Tompo vahoaka marobe.
Tatỳ aoriana, tamina andro firavoravoana lehibe iray Jesosy dia niaraka tamin’ny mpianany tany Jerosalema. Nisy Grika tonga tany koa mba hitsaoka miaraka amin’ny Jiosy, ary te hahita an’i Jesosy. Nilazan’izy ireo izany i Filipo, ka niresaka momba izany tamin’i Andrea ; dia izy roa lahy no niara-nampita ny fanirian’ireto vahiny hafa firenena, izay afaka nihaona tamin’i Jesosy araka izany (Jaona 12:20-22).
Tsy dia misehoseho tahaka an’i Petera rahalahiny i Andrea, ary nanana io fanomezam-pahasoavana sy fanompoana io, nitarika ho eo amin’i Kristy ireo olona nifanena taminy. Izany no atao hoe mitory ny Filazantsara : tena „mpanarato olona” tokoa izy. Ndao hanao toa azy !