Alahady 1 Jona 2025

Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Titosy 3:4-5

 

Finoana sa antokom-pivavahana

Olona maro tsy mino ny fisian’Andriamanitra na mihevitra fa tsy hay fantarina ny tontolo tsy azo tsapaina no mandinika tsara ny fitotonganan’ny antokom-pivavahana kristiana, ary maniry mihitsy ny hanjavonany aza. Toa nihena izaitsizy ny fiantraikan’ny fivavahana kristiana, indrindra any amin’ny firenena tandrefana. Angamba satria maro ny antokom-pivavahana nitsabaka ny fiainana ara-tsôsialy, ara-piarahamonina sy ara-pôlitika, ary niala tamin’ny antony niantsoana azy tany am-boalohany. Nefa ve isika ankehitriny, mbola manavaka mazava ny hoe finoana sy ny hoe antokom-pivavahana ?

Ny antokom-pivavahana dia voafaritra ho fitambaran’ny zavatra inoana sy foto-pampianarana izay matetika ampifangaroana amina fomban-drazana, sy amina fahazarana na fitondrantena mety avy amina lova ara-kolontsaina. Araka izany, indraindray ny antokom-pivavahana kristiana dia mampianatra hoe tsy maintsy manao asa, manaja fomban-drazana sasantsasany, mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.

Manolotra fanazavana tena ilaina ny Baiboly, momba ireo foto-pahalalana ireo. Ny finoana kosa dia mipetraka amina lafiny iray hafa : avy amina toe-po matoky tanteraka ireo fanambaran’Andriamanitra. „Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Anisan’ireny fanambarana ireny ny fampanantenana famonjena ho an’izay mino an’i Jesosy Kristy sy ny asa fanavotana nataony. Famonjena maimaimpoana io, izany hoe omena tsy misy tambiny, fa miorina amin’ny fahasoavana sy ny famindrampo irery ihany.

Araka izany dia taomin’Andriamanitra isika, tsy hoe hanana antokom-pivavahana, fa hiditra amina fifandraisana feno fatokiana sy fahasambarana aminy, mahazo antoka fa voavela heloka ary nohamarinina noho ny fahasoavany sy ny fitiavany.