Asabotsy 31 Mey 2025
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:9
(Hoy Jesosy :) Izay rehetra manota dia andevon’ny ota… Koa raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:34-36
John Kelly, pasiteran’ny fiangonana Chicago West Bible Church any Etazonia, dia namoaka ny fijoroany ho vavolombelona tao amina gazety iray :
„Vao 13 taona aho dia efa nigadra. Rehefa 19 taona aho dia nandray anjara tamina fifampitifirana nahafatesana olona iray, ka naiditra am-ponja indray. Nihevitra aho fa ho afaka mamonjy ahy ny zava-mahadomelina sy ny herisetra. Tsy izany anefa, fa vao mainka nitondra fahoriana marobe ho ahy izany. Nihevitra aho fa vita teo ny fiainako.
Rehefa tonga tany an-tranomaizina aho dia natoka-monina. Ny hany zavatra tao amin’ny efitrakeliko dia Baiboly iray. Nanomboka namaky izany aho, ary nahita fa nanan-javatra tsara kokoa homena ahy Andriamanitra. Nentiny tao amin’io toerana maha manirery io aho, mba ho afaka mahatsapa ny fanatrehany sy maheno Azy, tsy voahelingelin’inona na inona. Ny figadrana no zavatra tsara indrindra nahazo ahy. Nampidirin’Andriamanitra ho ao anatin’ny foko ny filana mibebaka sy ny fangatahana famelan-keloka. Dia nifandray tamin’ny fianakavian’ilay olona maty nandritra ny fifampitifirana aho.
Tamin’ny fotoana voalohany nahatsapako ny Tenin’Andriamanitra nampihetsika ny foko, dia niova ny zava-drehetra. Na teo aza ny fahotako, dia nanolo-tanana ahy ny Tompo ary nanome ahy fiainana vaovao. Nanindry mafy ahy ny vesatry ny fahamelohako, nefa nanafaka ahy Andriamanitra, ary afaka nihira fiderana Azy aho sady afaka niaina mba ho vavolombelony. Afaka naharesy ny henatra noho ny lasako aho, ary nahita lalam-baovao hizorana.”