Zoma 30 Mey 2025
(Hoy Jesosy :) Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. Jaona 15:14-15
Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana. Ohabolana 17:17
Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza. Ohabolana 18:24
Ny tena fisakaizana dia fifamatorana tena mamy, izay mifono firaisan-tsaina akaiky sy firaiketam-po ary fifampizarana tsy misy fepetra. Ny Tompo Jesosy dia te ho io Sakaiza io, ho antsika. Nefa ahoana moa no hifampizarana ny zavatra rehetra amina olona tsy dia fantatsika tsara akory ? Koa raha vao nandray Azy ho Mpamonjintsika isika, dia ofaniny ao amin’ny sekoliny mba hianatra hahafantatra Azy, sy mba hanehoany ny fitiavany tsy misy fetra mbamin’ny tsiambaratelon’ireo fiheviny.
Ao amin’ny bokin’ny Genesisy, Andriamanitra dia nangataka an’i Abrahama handao ny zavatra rehetra, nefa nanome fampanantenana azy, ary nampiditra azy tsikelikely tao amina fifandraisana akaiky aoka izany aminy, hany ka Izy Andriamanitra mihitsy no niantso azy hoe sakaizany (Isaia 41:8).
Angamba isika maniry hiaina akaikin’ny Tompo Jesosy kokoa. Koa esoriny hiala amin’izay manakantsakana antsika isika, mba hitombo ara-panahy sy hifampizara aminy ny zavatra rehetra : fifaliana sy fahoriana, adin-tsaina, mbamin’izay rehetra mandrafitra ny fiainantsika. Aminy dia tsy misy mihitsy tsipirian-javatra tsy misy dikany : mahatakatra ny zavatra rehetra Izy, ary tia antsika. Tsy efa noporofoiny ve izany tamin’ny nanaovany sorona ny ainy, hamonjeny antsika ? Maniry Izy hanokatra amintsika ny harenan’ny fony, ary hitarika antsika hiaina miaraka aminy sy ho Azy.
Ianao ve te hamaly ny antsony sy hikatsaka, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny famakiana ny Baiboly, io fiombonana io, izay tsy hay oharina amin’inona na inona etỳ an-tany ? Ary raha mbola tsy manana an’i Jesosy ho Sakaizanao manokana ianao, dia manatòna Azy amin’izao maha ianao anao izao, minoa izay lazainy ao amin’ny Teniny : tsy hanosi-bohon-tanana anao Izy, tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana, ary hameno fiadanana sy fahasambarana ny fonao !