Alakamisy 29 Mey 2025

Kanefa raha izaho (Joba), dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy… Dia hahita an’Andriamanitra [aho] ; eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Joba 19:25-27

 

Ao anaty lelafo

Nilazan’ny Anjelin’i Jehovah i Manoa sy ny vadiny, hoe hiteraka zazalahy. Mba te hanome haja ilay iraka avy any an-danitra izy mivady amina fanatitra, nefa nasain’ilay Anjely nanolotra izany an’Andriamanitra, Ilay hany mendrika hitsaohana.

„Dia hoy Manoa tamin’Ilay Anjelin’i Jehovah : Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao ? Ary hoy Ilay Anjelin’i Jehovah taminy : Nahoana no manontany ny anarako ianao ? fa anarana mahagaga izany. Dia naka ny zanak’osy sy ny fanatitra hohanina Manoa, ka nanatitra ireny teo ambonin’ny vatolampy, ho an’i Jehovah ; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady. Ary raha niakatra ho amin’ny lanitra ny lelafo avy teo amin’ny alitara, dia niakatra teo anatin’ny lelafo avy teo amin’ny alitara Ilay Anjelin’i Jehovah” (Mpitsara 13:17-20).

Izany zava-nitranga izany dia mampahatsiaro antsika ny nitsanganan’i Jesosy velona indray sy ny niakarany any an-danitra, 40 andro taorianan’izany : „Dia nakarina Izy (Jesosy), raha mbola nijery izy ireo ; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo ? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy, tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asan’ny Apostoly 1:9-11). Indimy io lahatsoratra io no milaza ny fijery, ny maso, na ny fahitana. Toy ny nahitan’i Manoa ny Tompo niakatra tao anatin’ny lelafon’ny fanatitra nataony, dia hitan’ireo mpianatr’i Jesosy koa Izy, velona taorianan’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ary hitany niakatra any an-danitra. Ry kristiana, avy any no iandrasantsika Azy, ary ho hitantsika amin’ny masontsika Izy !