Alarobia 28 Mey 2025
Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20
Kanefa nahazo famindrampo aho. 1 Timoty 1:13
„Inona no hanaovako ny fiainako ? Na nataoko ahoana àry ny fiainako ? Maro tsy tambo hisaina ny valiny… : finoana, ady, fiantrana, fikomiana, hambom-po, fahefana, asa, hakamoana, vola, fahalalana, fahalianana, firaisana ara-nofo, fitiavana, zava-kanto, fanatanjahantena, filôzôfia, poezia, dia, hatendana, fisotro mahamamo, zava-mahadomelina maivana na mahery vaika, fahafinaretana, fahasambarana, ary zavatra maro hafa ihany koa, mitondra ho amin’ny faratampony na mankamin’ny hantsana lalina, mitondra ho amin’ny voninahitra na ho amin’ny famonoantena, ary matetika tsy mitondra na amin’inona na amin’inona.”
Izany fahatsapan’ny filôzôfa Jean d’Ormesson izany dia nohamafisin’olona maro hafa ihany koa. Afaka mahita ny tenantsika ao amin’ireo voalaza ireo isika, afaka manontany tena hoe misy dikany ve ny fiainantsika.
Ahoana no hitondrako ny fiainako ? Arakaraka ny onjan’ny zava-mitranga ve ? Hanaraka ny firehetam-poko ve ? Ny apostoly Paoly dia tsy maintsy namoy ny fanabeazana azony sy ny fahavitrihany hampihatra ny fomban-drazana jiosy. Nofafan’Andriamanitra tamin’ny fomba mahatalanjona izany rehetra izany, rehefa nisehoan’i Jesosy izy, teny an-dalana mankany Damaskosy (Asan’ny Apostoly 9:1-22). Nihevitra i Paoly fa nanana zotompo ho an’Andriamanitra. Tsy maintsy niaiky izy fa mpanota ka mila famelan-keloka. Hitany tao amin’i Jesosy Kristy izany : „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy”. Tonga saina izy hoe nahazo tombontsoan’ny famindrampon’Andriamanitra, ka nanokana ny fiainany hanompo an’i Jesosy. Hitany ny dikan’ny fiainany. „Miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 3:14). Taominy ny kristiana rehetra mba hanahaka azy.
Mifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra ve ny dikan’ny fiainako ? Raha tsy izany, dia mitondra ahy aiza ?