Talata 27 Mey 2025

Fa satria nalaim-panahy ny tenany (Jesosy) tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. Hebreo 2:18

Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. Hebreo 7:25

 

Mivavaka ho antsika Jesosy

Jesosy dia Ilay Zanak’Andriamanitra. Izy dia Andriamanitra, ka mahita ny zavatra rehetra sy mahafantatra ny zavatra rehetra (Jaona 1:1-18). Rehefa nanjary olona Izy, mitovy amin’ny olona amin’ny lafiny rehetra (afa-tsy amin’ny ota), dia nanatona antsika ary naka ny toetra maha olona antsika.

Nekeny horaisina tanteraka io toetra io, koa araka izany Izy dia niaina izay iainantsika, ireo fitsapana, ireo fakam-panahy.

Fantatr’i Jesosy ireo hafetsen’i Satana sy ireo fakam-panahy ataony, satria efa natrehiny (Matio 4:3). Tsy nilefitra tamin’izany Izy, fa nijoro tamin’ny fatokiana sy fankatoavana an’Andriamanitra sy ny Teniny (Lioka 4:1-13). Asehony antsika ny tokony hatao, rehefa alaim-panahy isika.

Jesosy dia niharan’ny toejavatra tena mafy indrindra, tena mampangirifiry indrindra aza : ny hanoanana, ny hetaheta, ny hasasarana, ny fanirery, ny tsy fahatakaran’ny olona, ny fanimbazimbana… Niaina sy niaritra ny zavatra rehetra Izy, araka ny maha olona Azy, ka nahatakatra ny zava-tsarotra tsirairay, nangoraka antsika tsirairay (Hebreo 4:15).

Taorianan’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, nanonitra ireo fahotantsika, dia nitsangana velona indray Jesosy, nampiakarina any an-danitra, ary nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra (Marka 16:19). Ny andininy androany dia milaza fa velona mandrakizay Izy, ary mbola mamonjy avy any an-danitra ireo izay Azy, izany hoe mivavaka ho azy ireo, vonona mandrakariva hanafaka azy ireo. Hanafaka azy ireo manontolo, izany hoe mandritra ny androm-piainany etỳ an-tany. Dia ho tratran’ny mpino tsirairay ny tanjona, ny „tranon’ny Ray”, misy fitoerany efa vonona.

Mamonjy ahy amin’ny fakam-panahy rehetra, fitsapana, zava-tsarotra, ary manafaka ahy hatramin’ny farany, izany no ataon’ny Mpamonjiko ho ahy.