Alatsinainy 26 Mey 2025

Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1

Ny fitiavan’i Kristy no manery anay… maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 2 Korintiana 5:14-15

 

Ny finoana kristiana

Maro ankehitriny ny antokom-pivavahana manerana izao tontolo izao. Toa mampiseho toetra iraisana vitsivitsy izy ireo, eo amin’ny fomba famaritan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny fiheviny, satria samy manaiky fitsipika fototra eo amin’ny fiainana ara-piarahamonina, toy ny fanamelohana ny famonoana olona, ny lainga, ary ny halatra ; fanajana sy fikarakarana ny ray aman-dreny, fitiavana ny ankizy, fiheverana ny hafa…

Misy karazam-pivavahana mandray an’Andriamanitra ho Mpahary, Masina sy Tsitoha, nefa ihany koa Andriamanitra mampahatahotra, mitaky asa ataon’ny olombelona mba hahazoana sitraka aminy na fiarovany. Nefa ahoana àry no hahazoana antoka fa ampy hankasitrahan’Andriamanitra antsika ny fitondrantena tsarantsika ?

Ny finoana kristiana, ambara ao amin’ny Baiboly, dia miankina amin’ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra sy izay nataony. Marina fa masina Andriamanitra, nefa Fitiavana ihany koa. Ireo toetra roa ireo, izay mifandanja tanteraka, dia naseho teo amin’ny hazofijaliana nahafatesan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Teo Izy no nandray ny fahotantsika ho eo amin’ny tenany, ary nisolo toerana antsika, niaritra ny fahatezeran’Andriamanitra. Noho izany Andriamanitra dia afaka mandrotsaka ny fitiavany amin’ireo rehetra mibanjina am-pinoana an’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy, maty sy nitsangana velona indray.

Tsy antokom-pivavahana misahana asa tsy akory ny finoana kristiana, fa Olona iray, dia Jesosy Kristy, Izay nanao ny zava-drehetra mba ho famonjena antsika, Olona inoana amin’ny fo manontolo. Dia miseho amina fiainana atokana ho Azy manontolo io finoana Azy io, fiainana mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra sy mitsinjo ny hafa, fahitsiana sy fitsinjovana entanina fitiavana lalina an’i Kristy.

„Ny Fanahy Masina… no nentiny (nentin’Andriamanitra) nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” (Romana 5:5).