Alahady 25 Mey 2025
Ary hoy Petera taminy : Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra, mba hahazo famelana ny helokareo. Asan’ny Apostoly 2:38
Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ; fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahiny. Asan’ny Apostoly 10:34-35
Tamin’ny Andro Pentekosta i Petera dia nandray fitenenana tao Jerosalema : voalohany nitory Filazantsara izy. Io andro io no nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatra, ary manamarika ny nahaterahan’ny Fiangonana, nisy mpino vaovao telo arivo.
Fotoana fohy taorianan’izany izy, rehefa nahasitrana lehilahy malemy iray, dia nitoriteny tamin-kery teo anatrehan’ireo manampahefana ara-pivavahana jiosy (Asan’ny Apostoly 3). Tsy nampiova hevitra azy —na ireo apostoly namany- tsy hitory an’i Kristy nitsangana velona indray ny fisamborana, ny fikapohana ary ny fandrahonana. Naiditra am-ponja i Petera, ary nampoizina hovonoina, nefa nafahan’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga (Asan’ny Apostoly 12:7-10).
„Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra”, hoy ny Tompo tamin’i Petera (Matio 16:19). Ka tsy maintsy mamoha ny varavarana ho an’ireo rehetra manaiky ny fahefan’ny Tompo izy, na Jiosy izy ireo na tsy Jiosy. Tsy araka ny firazanana no idirana ao amin’io fanjakana io. Ny ilaina dia ny finoana ny Tompo Jesosy, maty sy nitsangana velona indray.
Nosokafan’i Petera mantsy ny lalana ahafahana manatona ny Filazantsara, ho an’ny Israely aloha, tamin’ny Andro Pentekosta (Asan’ny Apostoly 2:38-42), avy eo ho an’ny Samaritana (8:17), ary manaraka izany ho an’ny firenena rehetra (ireo antsoin’ny Baiboly hoe jentilisa), tao an-tranon’i Kornelio, kapiteny romana (10:34-38).
Nilazan’i Jesosy i Petera hoe tsy hanao izay tiany intsony rehefa antitra, fa hotarihina kosa hanome voninahitra an’Andriamanitra, amin’ny hamoizany ny ainy (Jaona 21:18-19). Rehefa antitra i Petera dia nampahafantarin’ny Tompo fa manakaiky ny fotoana hahafatesany (2 Petera 1:14), ka nanoratra torolalana ho an’ireo mpino izay hilaozany. Nanompo ny Tompony hatramin’ny farany izy, ary maty maritiora.
(tohiny isan-kerinandro)