Asabotsy 24 Mey 2025
Naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy (Jesosy). Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly. Lioka 6:12-13
Ary izao no anaran’ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy : Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera. Matio 10:2
Petera, izay nantsoina hoe Simona tany am-boalohany, dia avy any Betsaida, any amoron’ny farihin’i Tiberiasy. Mpanjono no asany, niaraka tamin’i Jakoba sy Jaona (Lioka 5:10). Andrea rahalahiny no nitondra azy nankany amin’i Jesosy, taorianan’ny nahitany ny Mesia (Jaona 1:40). Rehefa nijery an’i Simona i Jesosy dia nanome azy anarana vaovao hoe Kefasy (na Petera). Nanjary mpianatr’i Jesosy i Petera, ka nandao ny zavatra rehetra mba hanaraka Azy.
Tatỳ aoriana kely dia nangonin’i Jesosy ireo mpianany efa marobe. Nifidy roambinifolo lahy tamin’izy ireo Izy, hiaraka aminy ; ary nantsoiny hoe apostoly (midika hoe : irahina) izy ireo. Saiky voatonona voalohany hatrany tamin’ireo roambinifolo lahy i Petera ; matetika dia izy no mpitondratenin’izy rehetra. Izy no niaiky fa Jesosy dia „Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (Matio 16:16). Hoy koa izy : „Izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra” (Jaona 6:69).
Matetika i Petera dia miseho ho mirehidrehitra sy sahisahy. Araka izany dia nandao ny sambokely izy mba handeha eny ambony rano, hanatona an’i Jesosy ; nefa raha vao tsy nibanjina intsony ny Tompo ny masony, dia nanomboka nilentika izy. Dia noraisin’i Jesosy tamin’ny tanany izy, sady nilazany hoe : „Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao ?” (Matio 14:28-31).
Talohan’ny nisamborana ny Tompo dia nilaza ampahibemaso i Petera fa tsy handao Azy mihitsy (Matio 26:33). Nefa taoriana kelin’izany izy dia nilaza intelo ho tsy mahafantatra Azy. Fa taorianan’ny nitsanganan’i Jesosy velona indray kosa, dia hifanena amin’ilay mpianany Jesosy ary hampiseho aminy ny fahasoavany sy ny famelan-kelony. Afaka hiteny aminy i Petera hoe : „Tompoko, Ianao mahalala ny zavatra rehetra ; fantatrao fa tia Anao aho” (Jaona 21:17).