Zoma 23 Mey 2025

Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Jakoba 4:8

 

Bartimeo jamba

Tsara vakina : Marka 10:46-52

Tsapan’i Bartimeo jamba mpangataka fa tsy olona tsotra i Jesosy, ninoany fa Izy no Ilay Mesia nampanantenaina. Hoy izy niantsoantso Azy : „Mamindrà fo amiko”. Rehefa nahare azy Jesosy dia nijanona mba hamaly ny finoany, ka nampanatona azy. Nanipy ny lambany ilay jamba ka nitsangana avy hatrany, nanala tamin’izany izay nanelingelina azy, mba hihazakazahany hankeny amin’i Jesosy.

Inona no mihazona antsika tsy hanatona an’i Jesosy Ilay Mpamonjy ? Ny fitafian’ny fanaovantsika asa soa ve ? Ny endrika fananan-kaja ivelany asehontsika ny hafa ve ? Avelao izany rehetra izany, ary ndao hanatona Azy, amin’izao maha isika antsika izao, tsy manao hosotra ivelany na fanovana endrika.

Mety mbola tsy nahatakatra na nahatsapa angamba ianao hoe ilaina ny manatona an’i Jesosy Mpamonjy mba ho vita fihavanana amin’Andriamanitra ? Fantatrao ve fa mamaky ny ao am-ponao Andriamanitra ? hitany ao izay mety ho lainga tsy nibabohana, ny lolompo mitampikitra, ny fahazaran-dratsy miafina angamba. Tahaka ilay jamba nangataka mba hampahiratina, dia angataho ny Tompo Jesosy mba hampahiratra ny masonao, hahitanao ny tena toetra maha mpanota anao eo anatrehan’Andriamanitra ; angataho Izy hanome anao ny fiadanam-po ateraky ny finoana Azy. Hoy ny Baiboly amintsika : „Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).

Bartimeo, izay mahita ankehitriny, dia nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana. Ho an’ireo rehetra izay nihiratra ho an’i Kristy ny masony, izay niampita araka izany avy tamin’ny haizina ho amin’ny fahazavan’Andriamanitra (1 Petera 2:9), Jesosy dia nanjary antom-piainany.