Alakamisy 22 Mey 2025
Aza manao izay tsy marina amin’ny fitsarana. Levitikosy 19:15
Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana. Ohabolana 22:8
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana ; fa izy no hovokisana. Matio 5:6
Nanatanteraka fahagagana lehibe Jesosy, teo akaikin’i Jerosalema : nanangana ho velona an’i Lazarosy izay maty efa efatra andro (Jaona 11:47-57). Voaterin’ny toejavatra ny mpitondra, satria mihamitombo isa ireo mino Ilay naneho ny tenany ho ny Mesia.
Tsy nandinika ireo teny sy asan’i Jesosy tamin’ny fahazavan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ry zareo mpitondra ny vahoaka, fa natahotra kosa ny mety ho fihetsiky ny Romana. Kaiafa, ilay tompon’andraikitra voalohany ara-pivavahana, dia nanoso-kevitra hampamono an’i Jesosy, mba hamonjena ny toeram-pivavahan’izy ireo sy ny firenena Israely : nanao tsy fahamarinana izy, noho ny antony ara-pôlitika.
Fialana ihany anefa izany, mba hiarovany ny toerana nisy azy ireo teo amin’ny fiarahamonina sy ny tombontsoan’izy ireo, nefa ny olona rehetra dia nanaiky hanatanteraka ny zavatra tsy ho hay arenina, izany hoe hanameloka ho faty olona tsy manan-tsiny. Hoteren’izy ireo i Pilato, goverinora romana, mba hanombo eo amin’ny hazofijaliana Ilay nambara-na vavolombelona marobe fa tsy nanao ratsy, na kely aza. Andriamanitra anefa tsy hanaiky izany tsy fahamarinana izany, ka taoriana-na vanimpotoana 40 taona niaretany mba hahafahan’ny Filazantsara handroso, dia navelany handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny ny Romana. Namafy tsy fahamarinana i Kaiafa, ka nijinja fahoriana ny vahoakany.
Lesona lehibe ara-pitondrantena ho antsika izany : amin’izay rehetra toejava-mitranga, ao amin’ny fiainam-pianakaviana na fiainam-piasantsika, na ao amin’ny fiangonantsika, dia ndao hiezaka hanafoana ny tsy fahamarinana rehetra, raha miankina amintsika izany. Tsy misy fizahan-tavan’olona, na fandaminan-dresaka, tokony hitarika antsika hanatanteraka na handefitra tsy fahamarinana, na amin’iza na amin’iza (Titosy 2:12 ; Kolosiana 4:1).