Alarobia 21 Mey 2025

Amin’ny fanetrentena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Filipiana 2:3

(Hoy Jesosy :) Malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho. Matio 11:29

Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena. 1 Petera 5:5

 

Fanentrentena

— Ny tena fanetrentena dia tsy hoe fananana fiheverana ratsy momba ny tena tsy akory, fa araka izay azo atao, tsy mihevitra ny tena.

— Mahatonga antsika hanetry tena ny fahatsapana ireo fahadisoantsika sy ny fatokiana fa mamela heloka Andriamanitra. Mihazona antsika ao anaty fanetrentena ny fahazoana antoka fa feno fahasoavana Andriamanitra, ary tia antsika tsy misy fepetra.

— Ny tafio-drivotra dia mety mahongotra hazo, nefa tsy manan-kery mihitsy amina bozaka kely eo amin’ny tany. Tsy manan-kery eo amin’ireo izay manetry tena ny fakam-panahy hiavonavona.

— Arakaraka ny itoerantsika eo akaikin’Andriamanitra no ahatsapantsika ny maha kely antsika manoloana ny fiandrianany. Izany irery ihany no manampy antsika hihevitra ny hafa ho ambony noho isika (teny androany).

— Ny kristiana manetry tena dia tsy manaiky ho tafintohin-javatra na inona na inona, ary mitandrina tsy hanafintohina olona. Vonona mandrakariva izy hanampy ny hafa, satria nianatra tamin’i Jesosy hoe toy inona moa ny mahasambatra rehefa manompo.

— Ny taho izay mitondra voa betsaka indrindra dia miondrika ambany indrindra : hanampy antsika hitoetra ao amin’ny fanetrentena ny fanatontosana ireo asa tsara nomanin’Andriamanitra hataontsika. Arakaraka ny mampahatanjaka ny riaka no maha lalina ny renirano. Dia toy izany koa, arakaraka ny ahatsapantsika ny fahasoavan’Andriamanitra no mampanetry tena antsika.

„Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetrentena” (Mika 6:8).