Talata 20 Mey 2025

… Tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita ; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay. 2 Korintiana 4:18

Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. 2 Petera 3:18 2 Petera 3:18

 

Inona no banjinin’ny masontsika ?

„Rehefa ao an-trano isika dia mety haminavina izay mitranga eny an-dalana : olona mivezivezy, fiara, fiarabe fitaterana. Fa rehefa eny an-dalana kosa isika, tsy mihevitra izay mitranga any anatin’ny trano. Mety mandalo isanandro eo anoloanana tobim-pitsaboana isika, saingy tsy mieritreritra afa-tsy ny raharahantsika… mandra-pahatonga ny andro idirantsika ao, mba hotsaboina. Dia mahita tontolo misy zava-maro tsy nampoizintsika mihitsy isika ao. Ary hoy isika : „Tena akaiky dia akaiky izao zavatra rehetra izao, nefa tsy fantatro ; tsy noeritreretiko.”

Toy izany koa ny fiainana. Manara-morona ny lafin-drindrina isika, dia izay ihany. Ao ambadika ao anefa dia misy ireo zava-miafin’ny fahariana, mba te hiteny amintsika ; misy ny fiheverana momba ny mandrakizay ; misy ny fitiavan’Andriamanitra ; misy tenin’Andriamanitra miandry antsika, teny feno hazavana.

Tsy mitsahatra Jesosy miteny amintsika hoe tsy mihiratra tsara ny masontsika ary tsy mahare ny sofintsika. Tsy tiany ho dilan’ny fiainana fotsiny isika, toy ny ahitany antsika dilan-javatra maro.”

(Philippe Zeissig)

Mba tian’i Jesosy hampitodika ny fijerintsika aminy isika, na amin’ny fotoana mora na amin’ny andro sarotra kokoa. Indraindray dia mety tsy omeny antsika izay heverintsika ho zava-dehibe, mba hitodihan’ny fijerintsika amin’ny votoatin-javatra, amin’izay iankinan’ny fiainantsika ankehitriny sy ny hoavintsika mandrakizay. Izany no antony tokony hitodihantsika aminy, rehefa mandalo fitsapana isika :

— Tompo ô, inona no tianao hampianarina ahy, inona no tianao ho hitako ? Tompo ô, omeo ny herinao aho hamakivaky izao fitsapana izao miaraka aminao, sy ho akaiky anao kokoa no tafavoaka amin’izao.