Alatsinainy 19 Mey 2025

Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo. Hebreo 13:3

Fa sady niara-niaritra tamin’izay nifatotra ianareo, no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra. Hebreo 10:34

 

Migadra noho ny finoana (3)

Ahoana no hanampiana ny kristiana iharan’ny fanenjehana ? Ndao hijery ny ohatra momba ny kristiana ao amin’ny epistily ho an’ny Hebreo. Niaritra ny fanenjehana izy ireo fahiny (10:32-34). Ankehitriny izy ireo dia tandindomina famoretana hafa indray. Na dia efa nijaly aza izy ireo, dia mbola vonona ho sahy hampiray ny tenany indray amina kristiana hafa ampijalina, nanjary „natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana”. Toa miseho ampahibemaso ny fiombonam-pon’izy ireo amin’ireo kristiana ampijalina ireo. Miroso izy ireo ho naman’ireo rahalahiny migadra ! „Miara-miaritra amin’izay mifatotra” izy ireo. Manaiky am-pifaliana horobaina fananana izy ireo, satria mahafantatra fa manana „fananana tsara lavitra sady maharitra”.

Isika ve mba mahay miara-miaritra amin’ireo mijaly noho ny finoany ? Ndao hitady azy ireo any amin’ny toerana maizimaizina misy azy. Ny fitaovam-pifandraisana môderina dia ahafahantsika mifandray mora foana amina olona any amina toerana samihafa eto amin’izao tontolo izao. Na izany aza anefa, isika dia tsy mahafantatra izay zava-mitranga rehetra manerana izao tontolo izao, indrindra ny any amin’ny toerana anoherana mafy indrindra ny fivavahana kristiana. Mbola misy mpino voaenjika „tsy hita maso”. Ary misy kristiana vonona hanao vy very ny ainy mba hahitany kristiana, na ankohonana, any amina toerana feno fanoherana : ndao hivavaka ho azy ireny.

„Tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo… Lazaiko aminareo marina tokoa : Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko” (Matio 25:36, 40).

(tapitra)