Alahady 18 Mey 2025
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra ; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. Isaia 53:6
Lasa tany Aositiralia i Tim, tovolahy anglisy iray, ary very tany anaty ala. Nony farany izy dia nahita toeram-piompiana iray, ary izao ny teny nandraisana azy :
— Afaka matory erỳ an-tranom-bokatra ambony erỳ ianao, raha tianao. Saingy efa misy olona iray ao… marary.
Nisy lehilahy iray tokoa tao, mandry eo ambony mololo, ary mikohaka mafy. Nanazava i Jaona, ilay marary, hoe niaina araka izay tiany nandritra ny 25 taona, ary nampiany hoe :
— Izao aho matahotra ny ho faty… Mahafantatra zavatra momba izany ve ianao, ry Tim ? Nampiaka-tsoroka i Tim…
— Miresaka momba izany ny Baiboly.
— Hay ! Nomen’ny reniko Baiboly aho, ao amin’ny fanambanin’ny kitapoko ao ilay izy. Hitan’i Tim ilay Baiboly, nosokafany, ary novakiny : „Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy ; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana”. Dia nanontany i Jaona hoe :
— Iza no lazain’izany ?
— Angamba i Jesosy Kristy ?
— Hay ! Tohizo hoe.
— „Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra”.
— Ajanony ! Izany no nataoko nandritra ny androm-piainako. Dia nanohy namaky i Tim :
— „Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra”.
— Nihatra tamin’i Jesosy Kristy ve ?
— Ie, toa izany.
— Avereno vakina io andininy io. Namaky ny tohiny i Tim.
Ny ampitso maraina, niditra teny anelanelan’ny takela-kazo ny tana-masoandro, no nitodika tany amin’i John i Tim, somary natahotra. Tony izy sady namerimberina ny hoe : „Nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra”.
— Tim a, nahazo antoka aho halina fa noraisin’i Jesosy tamin’ny tenany ny fahotako, ary mino aho fa navelany ny heloko. Tsy matahotra ny fahafatesana intsony aho.
Andro vitsivitsy taorianan’izany dia nandao ity tontolo ity tam-piadanana i John.