Asabotsy 17 Mey 2025
(Hoy Jesosy :) Impiry Aho no ta hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo ! Matio 23:37
Endrey ny hatsaran’ny famindramponao, Andriamanitra ô ! Ka mialoka eo amin’ny aloky ny elatrao ny zanak’olombelona. Salamo 36:7
Ny anjara asan’ny reniakoho dia efa miseho mialoha ny hahatongavan’ny zanak’akoho : kotrehiny am-paharetana ny atodiny, mandritra ny 21 andro, mandra-pahafoiny. Raha vao mivoaka ny atodiny ny zanak’akoho, dia mijery manodidina azy mandrakariva ilay reniakoho, mba hahazo antoka fa eo avokoa izy ireo. Rehefa mipoaka ny andro dia mandehandeha etsy sy eroa ny zanak’akoho. Fa rehefa misy rahona mitatao kosa, dia azon’ny hatsiaka izy ireo ka mikiakiaka ny sasany. Koa antsoin’ny reniny izy ireo, ka mihazakazaka miery ao ambany elany.
Miaro sy miambina ny zanany ny reniakoho. Raha mahatazana loza mananontanona izy —saka, ohatra-, dia miantso azy ireo amina feo tena miavaka, izay fantatr’izy ireo. Dia mihazakazaka mankeo aminy ireo zanany, ary miery ao ambany elany.
Ao amin’ny Baiboly, ny elatry ny vorona dia manambara fiarovana, filaminana. Ampiasain’ny Tompo Jesosy izany sarin’ny reniakoho miaro ny zanany ao ambany elany izany, mba hanehoany ny fiahiany an’i Jerosalema (Lioka 13:34). Sary mahafinaritra maneho ny fitiavan’Andriamanitra antsika ihany koa izany ! Anjarantsika ny mialoka eo ambany elany. Voaro isika ao !
Nanalavitra ny Tompo ve isika ? Tsy mitsahatra mitaona antsika „hiverina” sy hitoetra „amin’ny fitiavany” Izy (Jaona 15:9).
Tsy mihazakazaka manenjika ny zanany tsy akory ny reniakoho, mba hanafana na hiaro azy ireo ; fa miantso azy ireo izy, ary anjaran’izy ireo ny manatona. Raha tandindomin-doza isika, dia mahafantatra tsara an’izany ny Tompo, ary mahita izany tsara kokoa noho isika ! Anjarantsika ny mihaino sy manatona Azy, na miverina aminy.
(tapitra)