Zoma 16 Mey 2025
Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah. Salamo 34:18
Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao ; nomenao… hery ny fanahiko. Salamo 138:3
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko. Salamo 23:4
Ao anaty gazety boky ara-pahasalamana iray, dia nisy lahatsoratra momba ny fanotronana olona eo am-bavahoana, mampahatsiaro ny toejavatra mampihohoron-koditra nateraky ny valanaretina Covid-19 : ankohonana maro no tsy nahazo nankeo anilan’ny havany tamin’ny fotoana hahafatesany, mba hampahery azy ireo… Ny fanotronana havana iray eo am-pialana aina dia fitsapana henjana, fijaliam-be, na ho ana mpino aza. Fa inona moa no dikan’ny hoe manotrona havana akaiky ? Izany ve tsy miankina amin’izay fomba fiheverana ny mandrakizay ?
Lazaina matetika fa ny mpino dia voaomana kokoa mba hisedra ny fahafatesana. Nahoana moa ? Angamba satria mino izy ireo fa Andriamanitra no manome ny aina. Angamba ihany koa satria izy ireo mahafantatra fa Andriamanitra dia fitiavana, ka na eo aza ny fitsapana entin’ny fiainana, dia te hitondra soa ho azy ireo Izy. Koa mora kokoa ho azy ireo ny manaiky ny sitrapony, na dia mety hahatsapa tsy fahatakaran’ny hafa, na fikomiana mihitsy aza, izy ireo, manoloana ny fangirifiriana. Ary ao amin’io lohasaha aloky ny fahafatesana io, dia eo Jesosy mba hiaraka amin’izy ireo.
Fantatry ny mpino ny nahatonga ny fahafatesana. Toejavatra naningana io, eo amin’ny drafitran’Ilay Andriamanitra velona : mety maty isika, satria mpanota. Ary ny tambin’ny ota dia ny fahafatesana sy ny fiandrasana ny fitsaran’Andriamanitra. Nefa ny mpino dia mahafantatra fa tsy mitsahatra eo ny fiainana. Ny fahafatesana dia fisarahan’ny fanahy amin’ny vatana, fa ny fanahy kosa dia velona hatrany, any ankoatra ny tany. Ho tafangona ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ireo rehetra mino fa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy, noho ireo fahadisoana vitan’ireo mino ireo. Nandresy ny fahafatesana Jesosy, ary nanome azy ireo ny fiainana mandrakizay, toerana miaraka aminy ao an-tranon’ny Ray, ho mandrakizay.