Alakamisy 15 Mey 2025

Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa, aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa. 1 Petera 3:10-11

 

Mahomby eo amin’ny fiainana

Tena tsy nampoiziko ny nametrahana mpiara-miasa amiko iray ny fanontaniana hoe : „Ahoana no hahombiazana eo amin’ny fiainana ?”

Nanampoka ahy izany, ka hoy aho namaly : „Fanontaniana lehibe izany, hoeritreretiko ny amin’izany”. Satria aho kristiana, dia efa mahafantatra ny valiny ho an’ny tenako, nefa ahoana no hampahafantarana izany amin’ny hafa ?

Taoriana kely aho dia nanatona azy, ka izao no nambarako : „Ny hoe fiainana mahomby, dia fiainana iainana miaraka amin’Andriamanitra”. Dia nisy adihevitra nanaraka izany, hoe inona marina moa izany, amiko.

Mba hahombiazako eo amin’ny fiainana, dia tsy maintsy averiko amin’Andriamanitra ny toerana tokony ho Azy. Izy no Mpahary ahy ; Izy no nanome ahy aina, Azy ny foko, fantany tanteraka aho, ary tsy afaka hiadana raha lavitra Azy.

Mba hahombiazako eo amin’ny fiainana, dia tsy maintsy afahana amin’ny ratsy mitoetra ato anatiko aho. Andriamanitra irery no mahay manao izany. Nandritra ny fotoana ela aho dia nihevitra fa avy amin’ny hafa hatrany ny olana ; tatỳ aoriana vao takatro fa ny ao anaty foko lalina ao, ny avonavoko sy ny fitiavantenako, no manimba ny fiainako. Azoko entina eo amin’i Jesosy ireo fahotako, satria Izy no nitondra teo amin’ny hazofijaliana ny fanamelohana ireo.

Dia fiainana vaovao no manomboka, fiainana mampiray amin’Andriamanitra anaty fifandraisana am-patokiana aminy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Miala amin’ny ratsy sy manao ny tsara : izany no dingana voalohany hamitranana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana ny Mpamonjy. Dia ho afaka „maniry fiainana sy ta hahita andro soa” isika, hanana fiainana „be dia be” (Jaona 10:10) eo anilan’Ilay tia antsika.

Afaka niteny ny apostoly Paoly hoe : „Fa Kristy no anton’ny ahavelomako” (Filipiana 1:21).