Alarobia 14 Mey 2025

Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. Matio 6:6

Niakatra tao an-tendrombohitra Izy (Jesosy) mba hitokana hivavaka ; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy. Matio 14:23

 

Toerana manokana mba hivavahana

Hoy Jesosy amintsika : „Midira ao amin’efitranonao” mba hivavaka ; ary lazainy mazava fa tsy maintsy arindrina ny varavarana. Mazava ho azy fa tsy midika tsy akory izany hoe tsy mahazo mivavaka any ivelan’ny efitranon’ny tena. Afaka mivavaka eny rehetra eny isika, na irery na maromaro miaraka, amin’ny feo mahery na ao an-tsaina. Nefa ny fampianaran’i Jesosy dia manindry ny maha zava-dehibe ny ananan’ny mpino tsirairay toerana mahazatra, milamina, mba hivavahany amin’Andriamanitra.

Mba hivavahana am-pifaliana sy isam-potoana, dia ilaina ny manana toerana an’ny tena manokana, tsy voahelingelin’ny hafa na voasariky ny fialam-boly, toerana ahafahana mifantoka mora kokoa sy manana firaisana akaiky amin’Ilay Andriamanitsika.

Mazava ho azy fa samy hafa ny toerana misy ny tsirairay, ary fantatr’Andriamanitra tsara izany ! Ho an’ny maro amintsika dia mety ho sarotra ny hanana efitrano an’ny tena manokana. Dabilio iray mitokana any amina zaridaina ho an’ny besinimaro, na foto-kazo ahafahana mipetraka, dia efa mety hatao „efitrano”-ntsika, toerana ihaonantsika amin’ny Tompo.

Tsy mora lalandava ny maka fotoana ao anaty tontolo andro feno dia feno. Nefa afaka mampahery tena isika hanana fitsipi-piainana manokana, mba hisiana fotoana voatokana. Tena mora hadinontsika fa ny vavaka dia firesahana malalaka amin’Ilay Andriamanitra lehibe, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, Izay nanjary Raintsika, tia mandre antsika, mamaly antsika, ary mitahy antsika. Aza dila izany tombontsoa tena lehibe izany isika, fa ndao hikolokolo io fifandraisana isanandro io.