Talata 13 Mey 2025
Fa mitsangana eo ankavanan’ny malahelo Izy (Jehovah), mba hamonjy azy amin’izay manameloka ny fanahiny. Salamo 109:31
Ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy… ary izaho novonjena tao am-bavan’ny liona. 2 Timoty 4:17
Fotoana maha torovana toy inona moa, ho an’ny kristiana, ny mandalo eo anatrehana fitsarana noho ny finoany !
Nandalo fitsarana maro ny apostoly Paoly ; tany Roma ny roa tamin’ireo. Avy any izy no nanoratra hoe : „Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako, dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany)” (2 Timoty 4:16). Nijaly izy satria tsy nisy kristiana, na iray aza, nanotrona azy. Nambarany fa mamela heloka izy, ary koa hoe : „Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy”. Raha azo atao dia tokony hiseho, na dia eo anoloan’ny fitsaran’olombelona aza, ny fiombonam-pontsika amin’ireo mpino iharan’ny fanenjehana.
Tsy noraisin’i Paoly ho fiafaran’ny asa fanompoany ny fanagadrana azy, fa noheveriny aza ho fotoana fanararaotra hampamirapiratra kokoa ny fahazavan’i Kristy (jereo Filipiana 1:13-14). Mbola nanohy nitory ny Filazantsara izy tany am-pigadrana, ary nangataka tamin’ny mpino any Kolosia mba hivavaka, tsy ho an’ny fanafahana azy tsy akory, fa mba hahafahany miresaka momba ny Tompo (Kolosiana 4:3). Nofaranany ny taratasy nosoratany ho an’ireo kristiana tsy nifatotra ireo, tamin’ny hoe : „Tsarovy ny fifatorako” (4:18).
Nogadraina tany an-tobin’asa an-terivozona sovietika ity kristiana rosiana antsoina hoe Balys Gajauskas, ary rehefa nandany 33 taona tany dia nanoratra, tamin’ny taona 1981, hoe : „Tahaka lehilahy sy vehivavy tsy hita maso izahay —misy, nefa toy ny ao anaty haizina mikitroka”.
Aoka hibahana ao am-pontsika izay tsy migadra ny hiezaka araka izay rehetra azontsika atao, mba hifandray amina mpino toy ireny, hivavaka ho azy ireo, hanoratra ho azy ireo, hitsidika azy ireo, mba hahafahan’izy ireo ho tonga vavolombelona hita maso manambara an’i Kristy.
(amin’ny heriny ny farany)