Alatsinainy 12 Mey 2025
Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe : Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony… Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy. Lioka 15:18-20
Misy tantara iray notantarain’i Jesosy, maneho ny antsoina hoe famindrampo. Noraisina zanaka lahy iray ny vola nomen-drainy azy, ary nandao ny akany izy mba hiaina fiainana tsy nisy fiahiahiana, nandanilany ny fananany rehetra. Taorianan’izany, rehefa nanjary mpiandry kisoa izy, dia nahatsiaro ny fiainany tao an-tranon-drainy, ka tapa-kevitra hiverina any aminy, nihevitra ny tenany ho mpiasa. Nefa noraisin’ny rainy araka ny maha zanaka azy ihany izy, tsy nitakina na inona na inona momba izay nataony.
Teo amin’ny fanao nentin-drazana jiosy dia nisy fombafomba iray antsoina hoe „Kezazah”. Natao io rehefa nisy tovolahy jiosy iray nandao ny firaisa-monina misy azy ary nandeha nonina tany amin’ny jentilisa. Raha miverina izy dia tsy maintsy nijoro eo am-bavahadin’ny tanàna, ary ny loholona dia nanipy vilany tany teo anoloany, manambara ny faharavan’ny fifandraisana nanomboka tamin’io fotoana io teo aminy sy ny firaisa-moniny. Dia tafasaraka tanteraka amin’ny fianakaviany sy ny firaisa-moniny izy.
Ao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy dia noravan’ilay raim-pianakaviana io fomba io. Vao nahatazana ny zanany avy lavitra izy dia nihazakazaka mba hamela ny helony, alohan’ny hahatanterahan’ilay fanao amin’ny „Kezazah”.
Izany no ataon’Andriamanitra Ray. Mihazakazaka mitsena antsika Izy, rehefa miverina sy mibebaka isika, ary mamela ny helotsika. Mahery lavitra noho ny Kezazah ny famindrampony. Nirahin’Andriamanitra i Jesosy mba hiaritra ny fangirifiriana teo amin’ny hazofijaliana, hisolo toerana antsika. Nolavin’ny mpiray firenena taminy ny Kristy, mba heken’ny Ray sy hatsangany ho zanany isika. Vaky ny „vilany tany”, fanehoana an’ohatra, rehefa nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana Jesosy. Ny sorona nataony no hahafahantsika miditra ao an-tranon’ny Ray, araka ny maha zanany malalany antsika.