Alahady 11 Mey 2025

Amin’ny fanginana sy ny fatokiana no hisian’ny herinareo. Isaia 30:15

Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny làlako ka manisa ny diako rehetra ? Joba 31:4

 

Ny hasambarana mahafantatra izay fantatro

Ny mahafantatra hoe tia ahy Andriamanitra dia miteraka fitobahana fahasambarana sy fankasitrahana ato anatiko, satria fantatro :

— fa afaka manankina amin’ny sitrapony izay rehetra fikasako, hambompoko, faniriako miafina aho.

— fa manome fifaliana sy alahelo Izy, nefa entanin’ny fitiavany ahy avokoa ireo rehetra ireo. Izany hoe ao amin’ireo fitsapana mitranga eo amin’ny fiainana, dia tsy misy na inona na inona mahaisotra ny fiadanana apetrany ato am-poko.

— fa rehefa mitomany aho, dia mahatakatra ny manjo ahy ary mikarakara ahy ny Mpamonjiko, Izay nitomany koa tetỳ an-tany.

— fa ny lasako manontolo, fenon’ireo fahadisoako, fiovaovako, fivadibadihako, dia voasaron’ny fahasoavan’Andriamanitra, ary tsy hotsaraina ny amin’izany aho, na oviana na oviana.

— fa afaka miresaka malalaka amin’Andriamanitra aho, mihaino ahy Izy ary tia mandre ahy amin’ny fotoana rehetra, tsy manelingelina Azy aho, na oviana na oviana.

— fa Andriamanitra lehibe sy mahery tsy hita pesipesenina, mikatsaka ny fahasambarako ho an’ny ankehitriny sy ny mandrakizay, no tia ahy amina fitiavana tsy misy fepetra sy tsy misy fetra.

— fa ny fiainako manontolo dia tahaka boky mivelatra eo anatrehany.

— fa voaisany avokoa ny volondohako, fantany tanteraka hatramin’izay kely indrindra ilaiko, ary tiany homena ahy izany.

— fa manana fiainana mandrakizay aho dieny ankehitriny, ary raha tsy maintsy mandalo ny fahafatesan’ny vatana, dia ho amin’ny fiandrasana fitsanganana velona indray mahatretrika.

— farany, fa ho avy tsy ho ela ny Tompo haka ahy, ary hahita Azy amin’ny masoko aho, dia hiaraka aminy ho mandrakizay sy hiara-manana aminy ny voninahiny.

Eny, hasambarana lehibe toy inona tokoa moa ny nitokiako tamin’i Jesosy Kristy, ka mahafantatra izany rehetra izany !