Asabotsy 10 Mey 2025
Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy, sy ho fifalian’ny fanahinao. Ohabolana 29:17
Isika dia nanana ny rain’ny nofontsika ho mpanafay antsika, ka efa nanaja azy ; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy, ka ho velona isika ? Hebreo 12:9
Amin’ny ankapobeny dia rehefa lohataona no teraka ny zanaka serfa, ary mijanona eo anilan’ny reniny mandritra ny herintaona latsaka kely. Vao teraka izy dia mifamatotra mafy amin’ny reniny. Amin’ny voalohany izy dia tsy mahajoro tsara, nefa vetivety foana dia mahazo toky ary manomboka mitsambikimbikina irery. Manara-maso azy ny reniny. Raha manalavitra loatra izy, na manakaiky loza, dia antsoiny haingana. Treroniny izy mba tsy hamerina izany intsony. Indraindray dia totoiny kely amin’ny lohany, ataony mafimafy kely mba hahatakarany fa tsy misangy izy. Azo sary an-tsaina ny isan’ny zanaka serfa voavonjina reny mahakarakara.
Ny fiahian’ny serfa vavy ny zanany, mba hitarihany sy hiarovany azy, dia mampahatsiaro antsika ny andraikitra maha ray aman-dreny mpino antsika amin’ny zanatsika. Ilaina indraindray ny mibedy azy ireo, na manitsy azy mihitsy aza, mba hahatonga saina azy momba ireo zava-doza eo amin’ny fiainana, sy mba hiarovana azy amin’izany. Tahaka antsika ihany, izy ireo dia eo ambany fahefan’ny Tompo Jesosy, Izay te ho Mpamonjiny : Ilay mpanafaka azy ireo. Manoloana ny fandrika maro mananontanona, dia ndao ho eo hampitandrina azy ireo, mba hialany tamina trangam-piainana mampangirifiry !
Ilaina ny fitsipi-pitondrantena voarain’ny ankizy dieny mbola kely, ny ohatra asehona ray aman-dreny miroso amin’ny finoana, ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankatoavana, ary andraikitry ny ray aman-dreny izany. Nefa ndao hahatsapa fa ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany no hahazoan’izy ireo fitahiana mandritra ny fiainana maha kristiana azy ireo (jereo Ohabolana 22:6).