Zoma 9 Mey 2025

Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona ; zava-poana tokoa no itabatabany… Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô ? Ianao no antenaiko. Salamo 39:6-7

Ny tànan’Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy. Ezra 8:22

 

Mamotsotra

Sarotra ny miantoraka amin’Andriamanitra ! Matoky Azy tanteraka ! Tsy matoky Azy isika amina zavatra marobe, ary mihazona antsika ho gadra ireny.

Angamba ianao tsy matoky an’Andriamanitra ny amin’ny hidiranao any am-paradisa. Maro aoka izany ny zavatra tsy ankasitrahinao ataonao, ka mihevitra ianao hoe Izy koa dia azo antoka fa tsy mankasitraka anao. Marina ny hevitrao. Tsy avelany ho vitavita foana ny fandikana ny Lalànany, nefa nataony sorona Jesosy, maty nisolo toerana antsika ary nitsangana velona indray, mba hanamarinany antsika (Romana 4:24-25).

Angamba tsy matoky Azy ianao momba ny toe-pahasalamanao, ka mizaha ny tenanao tsy tapaka, manahy aretina ao aminao. Rariny ny anao, raha mihevitra momba ny fahasalamanao ianao, saingy Andriamanitra kosa dia ambony indrindra, eo an-tanany ny zavatra rehetra, tsy misy manampoka Azy (Fitomaniana 3:37).

Miasa saina ve ianao momba ny fahombiazanao, ny an’ny vadinao, ny an’ny zanakao ? Rariny ny anao ny amin’izany rehetra izany, nefa inona moa no ataon’Andriamanitra hoe fahombiazana ? Tsy ny vita fihavanana aminy ve ? noho ny asa nataon’i Jesosy Kristy. Mihaino Azy, mahatakatra ny sitrapony, mankatò, mahatoky, ary mpitondra fitiavana mandrakariva ? Misaintsaina ny bokin’Andriamanitra ? „Amin’izany dia hahalavorary ny làlanao ianao, sady hambinina” (Josoa 1:8).

Ny fahombiazana amin’ny famotsorana hoe ? Eny, ndao hatoky an’Andriamanitra. Taomin’i Jesosy isika handao ny zavatra rehetra mba hanaraka Azy satria, hoy Izy : „Na iza na iza no ta hamonjy ny ainy, dia hahavery azy ; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany” (Marka 8:35).