Alakamisy 8 Mey 2025
Jesosy namaly hoe : Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao. Jaona 18:36
Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Matio 18:3
Nisy dokam-barotra an-taratasy iray, mitaona antsika hanatsara izao tontolo izao : „Noforonina izao tontolo izao mba hahafahan’ny tsirairay manatsara azy. Araka izany dia heverinay fa ireo olombelona 7 lavitrisa dia afaka miara-manorina tontolo tsara kokoa”.
Iza no tsy hitady tontolo tsara kokoa ? Nefa vao mainka mihalehibe ny fahaverezam-panantenana ao amin’ny fiarahamonina misy antsika. Nahafahana nanatsara toe-piainana maro ny fandrosoana ara-teknika, nefa ve nihatsara kokoa ny fon’ny zanak’olombelona ?
Teo amin’ny fiainany tetỳ an-tany Jesosy dia nampiseho ny toe-po hany afaka manova zavatra : fitiavana, fiahiana ny osa, fanekena ny hafa, fanetrentena eo amin’ny fifandraisana, tsy fananana fitiavantena na avonavona, fandavana izay rehetra ratsy. Ny ohatra nomeny dia nampiseho ny halavorarin’olona iray nankasitrahin’Andriamanitra tanteraka.
Nolavin’ny olona anefa ny teniny, ny asany, ny tenany, ary nony farany dia novonoina Izy. Nahemotra ho amina fotoana any aoriana ny fametrahana ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany. Tsy niova, tao anatin’ny 2000 taona, izao tontolo tsy mila an’Andriamanitra izao, izay nanombo an’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Miha mandà miharihary kokoa hatrany an’Andriamanitra io tontolo io, tsy misy fanantenana mba hihatsara. Na izany aza anefa, dia mahari-po hatrany Andriamanitra, ary mbola miantso ny olona ny hamoram-panahiny, ankehitriny. Taomin’ny fitiavany ny olona tsirairay hibebaka sy hino an’i Jesosy, mba hanana dieny etỳ an-tany fifandraisana velona aminy, fifandraisana zanaka amin’ny rainy.
Ny kristiana dia miandry ny fiverenan’i Jesosy, Izay hampiditra azy any an-danitra, ao an-tranon’ny Rainy (Jaona 14:2-3).