Alarobia 7 Mey 2025
Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. Kolosiana 3:1-2
Fantatrao ve ilay karazana hala antsoina hoe „argyroneta” ? Izy io dia halan-keniheny miaina any ambany rano, toy ny fanaon’ny mpiantsitrika, ary mamboatra eny anelanelan’ny zava-maniry anaty rano eny, karazana lakolosy voatenona amina landy, ataony tsy tantera-drano, ary fenoiny rivotra. Isam-potoana io hala io dia mipoitra eny ambony rano mba haka oksizena miendrika balaonina kely mipetaka amin’ny volovolon’ny kibony. Ampiasainy ireo hanabontsinany ilay tranokeliny any anaty rano. Ao izy no miaina, mihaza, manatody ary manabe ny zanany.
Ry kristiana, ndao haka tahaka io bibikely marani-tsaina io. Voatery isika hiaina, hiasa, hanabe ny zanatsika ao anaty tontolo izay matetika tsy hay iainana ny rivotra ara-toe-panahiny, satria tontolo tarihin’i Satana, ilay antsoina hoe „mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra” (Efesiana 2:2). Mila „mipoitra eny ambony” isam-potoana isika, manavao ny tahirin-drivotra omen’ny lanitra, satria raha tsy izany dia ho sempotra. Ny famakiana tsy tapaka ny Baiboly sy ny vavaka no mihazona ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, amin’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay any an-danitra.
Inona no ataon’ireo mpandeha an-tsambondanitra natao hiaina andro na volana maromaro any ivelan’ny fari-drivotry ny tany ? Mitondra miaraka aminy ny rivotra iainany. Izany no tokony hataontsika isaky ny tafaraka tsy nahy amin’olona mampiahiahy isika, na ao anaty tontolo manohitra an’Andriamanitra. Ndao hitondra miaraka amintsika ny „rivotra iainantsika”, dia ilay rivotry ny lanitra. Ary ndao hifoka izany.