Talata 6 Mey 2025

(Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty :) Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara, araka ny herin’Andriamanitra. 2 Timoty 1:8

Ny ankabeazan’ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ny Tompo noho ny fifatorako, ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra. Filipiana 1:14

 

Migadra noho ny finoana (1)

Boky maromaro ao amin’ny Baiboly no nosoratan’ny apostoly Paoly, fony izy nigadra (ny espistily ho an’ny Efesiana, Filipiana, Kolosiana, Timoty ary Filemona). Mandrisika antsika ireo taratasy ireo mba hihevitra tsara kokoa ireo kristiana enjehina sy gadraina, ary koa ireo voafonja rehetra.

Koa nanoratra ho an’i Timoty ny apostoly Paoly hoe tokony hambarany miharihary, tsy amin-kenatra, ny maha kristiana azy, miaraka aminy izay migadra, na dia hahatonga fijaliana aza izany. Momba an’i Onesiforosy, mpino iray, dia nanoratra i Paoly hoe : „Namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako ; fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita” (2 Timoty 1:16-17). Fifaliana toa inona moa ny an’i Paoly, natoka-monina tao amin’ny efitrakeliny, nony nahita ny tavany sy nahare ny feony ! Tena fanehoana ny firaisampon’ny mpino rehetra !

Momba an’i Prisila sy Akoila, mpivady nanao vy very ny ainy hamonjeny azy, dia nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy ; izy mivady dia nanolotra ny tenany hamonjy ny aiko” (Romana 16:3-4).

Ankehitriny isika dia afaka mitsidika firenena misy kristiana mijaly noho ny finoany. Tsy afaka hatao foana ny mihaona amin’izy ireny, nefa rehefa any an-toerana isika, dia tonga saina kokoa ny amin’ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo, ny ilàna mivavaka ho azy ireo ; ary azo itondrana boky na taratasy izy ireo. Nisy vadina pasitera iray novonoina, nandrakotra ny rindrin’ny tranony tamin’ireo taratasy sy sary voarainy, ka sady nanondro ireo no niteny hoe : „Ireo no nihazona ahy tao amin’ny finoana !”

(amin’ny heriny ny tohiny)