Alatsinainy 5 Mey 2025
Ry rahalahy, mivavaha ho anay. 1 Tesaloniana 5:25
Mivavaha ho anay ; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara. Hebreo 13:18
Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44
„Impiry impiry moa no efa nandrenesako io fehezanteny kely io ! Nifanena tamina kristiana maro nenjehina noho ny finoany aho, ary tena matetika ny fangatahan’izy ireo voalohany indrindra dia ireo teny telo ireo : „Mivavaha ho anay !”. Mbola miverina ihany koa ireo, rehefa hifandao izahay.
— „Mivavaha ho anay !”, izany no fangatahana voalohany henontsika ataon’ny pasitera, rehefa mihaona aminy ao am-piangonana isika, amin’ny fotoana nifanaovana.
— „Mivavaha ho anay !”, rehefa tafahaona amina vondrona mpino ao an-tokantrano iray isika.
— „Mivavaha ho anay !”, rehefa mitsidika toeram-pitobiana mpitsoa-ponenana isika, eo anivon’ny vahoaka.
— „Mivavaha ho anay !”, rehefa mifanena amin’olona iray manokana, tsy dia misehoseho, eny amin’ny zaridaina na any amina toeram-pisotroana dite.”
Izany fahatsapana izany dia nataona kristiana iray niasa an-taonany maro mba hanampy ireo kristiana enjehina, nanofana tompon’andraikitra hampianatra ny Baiboly, niaro ny kristiana, nanampy azy ireo amin’ny famelomana ara-tsakafo ny fianakaviany. Nanambara izy fa ombieny ombieny ny fangatahana voalohany sy farany henony dia ny hoe : „Mivavaha ho anay !”.
Io faniriana io dia mifanaraka tanteraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly. Tany an-tranomaizina ny apostoly Petera, nefa „ny fiangonana nahery nangataka tamin’Andriamanitra ho azy” (Asan’ny Apostoly 12:5). Ny apostoly Paoly, tany an-tranomaizina ihany koa, dia nanoratra hoe : „Mba anamboary trano hitoerako aho ; fa manantena aho fa homena anareo noho ny vavaka ataonareo” (Filemona 22).
Koa ndao àry hivavaka ho an’ny kristiana mijaly, hivavaka ao am-pontsika na mitokana, na miaraka amin’ny ankohonana ao an-tranontsika, na any am-piangonana.