Alahady 4 Mey 2025
Nanatona izay nijanona teo, ka nanao tamin’i Petera hoe : Marina tokoa fa naman’ireny ianao ; fa ny fiteninao miampanga anao. Matio 26:73
Fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy. Asan’ny Apostoly 4:13
Tamin’ny fotoana nilazana tamin’ny apostoly Petera ny teny tanisaina voalohany etsy ambony, dia nipetraka nitanina afo niaraka tamin’ireo mpiambina nisambotra an’i Jesosy izy, ary teo dia nampalahelo fa nandà Azy (Salamo 1:1). Misy toerana na toejavatra tokony hialan’ny mpino sy handosirany, satria tandindomin-doza izy amin’izany, noho ny fahavetavetana manodidina, na ny herisetra, na ny fitaomana mivantana ataon’i Satana.
Ireo tenin’ny Filazantsara ireo dia mirakitra lesona roa lehibe.
— „Naman’ireny ianao” : ireo olona tsy mino dia matetika manana tombantsaina tena marina momba ny tokony ho toetoetrana kristiana, momba izay tokony hataony sy izay tokony hosorohiny. Ry kristiana, mitondra ny anaran’i Kristy isika, ka aoka hitandrina amin’izay asehontsika eo amin’ny fomba fiainantsika. Ndao hitandrina ny fihetsitsika, izay manan-danja lehibe lavitra noho ny tenintsika.
— „Ny fiteninao miampanga anao” : na tsy tsapan’ny kristiana aza, dia fantatra fa izany izy. Rehefa azo tsapain-tanana ny fahadiovan’ny fitondrantena sy teniny, fahadiovana vokatra fifandraisana iainana miaraka amin’Andriamanitra, dia tsapan’ny manodidina izany, na dia matetika tsy mahafantatra izany akory aza ilay olona.
Ny zanak’Andriamanitra tsirairay dia manana tombontsoa manokana sy adidy hijoro ho vavolombelon’i Kristy. Ny Anarana entintsika dia mamoaka hanitra. Ny fisian’Andriamanitra ao anatintsika dia miteny amin’ny alalan’ny ataontsika sy fihetsitsika, mbamin’ny tenintsika andavanandro. Koa ndao hiara-mitoetra amin’Andriamanitra, ho tsotra, hisoroka izay rehetra mety ho teniteny foana ara-pivavahana ; dia ho fantatry ny olona fa „efa niaraka tamin’i Jesosy” isika.