Asabotsy 3 Mey 2025

Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany, dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. Salamo 84:3

Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Jaona 4:23

 

Ndao handinika ny voary (4)

Akany ho an’ny zanany

Ny vorona dia manorina ny akaniny am-pitandremana fatratra. Samy mikofokofoka izaitsizy ireto voronkely mivady ireto. Ny lahy mitady toerana mety indrindra anorenana akany : matetika dia eny an-tendrona hazo kesika. Rehefa hita ny toerana sahaza, dia amboariny mba hanorenany akany mafy sady mahatamana. Ampiasaina avokoa izay rehetra hita : singam-bozaka, tapa-tady kely… Manomana toerana vitsivitsy izy, mba hahafahan’ny vavy misafidy izay hametrahany ny atodiny ho voaro tsara. Vantany vao foy ny atody dia misomebiseby ireto ray aman-dreny, mitondra hanina ampy sy tsara kalitao ho an’ny zanany, mba hampitombo tsara azy ireo.

Izany dia ohatra mampianatra fitsinjovana ny hoavy, fahendrena, ary fitiavana ny ankohonantsika, eo amin’ny lafiny hita maso sy hay tsapain-tanana, nefa koa eo amin’ny lafin’ny finoana. Isika ve mba mamahana ny zanatsika amin’ny tenin’i Jesosy, ao anaty tontolo iainana milamina ? Fantatry ny Raintsika any an-danitra izany… Fantany koa ireo tsy mba manana ankohonana, ary miahy antsika rehetra Izy (1 Petera 5:7). Ny tenin’ny Baiboly no mamelona ny fiainam-panahintsika : „ronono” ho an’ny tanora fanahy amin’ny finoana (1 Korintiana 3:2), ventin-kanina ho an’ny anti-panahy (Hebreo 5:14).

Eo amin’izay iainantsika, ao amin’ny „akany”-ntsika, raha mamaky ny Baiboly sy mivavaka isika, na irery na ao amin’ny ankohonana, dia mitoetra ao koa Andriamanitra. Ny alitara (andinin-tSoratra Masina androany) dia ny toerana nitsaohana an’Andriamanitra fahiny. Ankehitriny Jesosy dia miteny amintsika hoe izay mino Azy dia „mivavaka amin’ny Ray (mitsaoka ny Ray) amin’ny fanahy”. Samy manao izany ao am-pony ny tsirairay, nefa miara-miray fo koa ao amin’ny ankohonana, ao am-piangonana, amin’ireo mino ny Tompo Jesosy… ary tsy ho ela intsony dia hiaraka aminy any an-danitra, ao an-tranon’ny Ray (Jaona 14:2).