Zoma 2 Mey 2025
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy. 2 Korintiana 5:17-18
„Ndao ovaina ny zavatra rehetra !” Izany dokan-teny izany dia te hahasarika, hita tsara eo amina peta-drindrina amina fifidianana… Manantena mandrakariva fanovana ny olona, fanovana hitondra fahamarinana, filaminana, fahafahana, firahalahiana bebe kokoa. Nefa aiza no ahitana izany, eto ambonin’ity tany ity ?
Ny Baiboly dia tsy miresaka amintsika fiovana fotsiny, fa tontolo vaovao, fahariana vaovao. Ny fahariana ankehitriny dia nivoaka lavorary avy tamin’ny Tenin’Ilay Andriamanitra Mpahary. Saingy ny olona, satria tsy nankatò an’Andriamanitra, dia tsy afaka nisitraka ny toeram-pahasambarana nisy azy fahiny, ary voaozona ny tany noho ny nataony. Nandà an’Andriamanitra sy ny fiheviny izy, ka tafasaraka tamin’ny loharanon’ny fahasambarana sy fahatoniana. Tafalatsaka tao anatin’ny ratsy izao tontolo izao, ary ny fisainan’ny fon’ny olona nandeha araka izay tiany dia „ratsy hatramin’ny fahazazany” (Genesisy 8:21). Hitarika antsika hiverina amin’Andriamanitra ve izany fahatsapana izany ?
Raha manaiky isika, dia „manova ny zavatra rehetra” Andriamanitra. Omeny toetra vaovao isika, fo vaovao miaina ny ain’i Kristy mihitsy. Izay mino an’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana, nefa koa nitsangana velona indray, dia afaka tamin’ny toetra mandà an’Andriamanitra, afaka tamin’io toerana nisy azy io. Nohavaozina sy nodiovina avokoa ny antony mandrisika azy, ny fitiavany, ny fahaizany. Manjary zavaboary vaovao izy (andinin-tSoratra Masina androany). Miroso amina fiovana lalina sitrak’Andriamanitra izy. Io fanavaozana ataon’Andriamanitra io dia hitohy mandra-pampiditra azy any amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao, fara tanjon’ny drafitr’Andriamanitra. Any Andriamanitra dia hiara-monina amin’ny olona. Tsy hisy fijaliana intsony, fa fahasambarana mandrakizay eo amin’ny fanatrehany (Apokalypsy 21:2-4). Fiovana anie izany e !