Alakamisy 1 Mey 2025

Ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany. Matio 8:20

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

 

Aiza no hahitana fitsaharana ?

Isika rehetra dia samy miandrandra fitoniana sy fitsaharana avokoa. Feno tabataba sy korontana aoka izany mantsy ny fiarahamonina misy antsika ! Eo mandrakariva ireo fitakian’ny asa fivelomana, ka voakorontan’izany ny torimasontsika. Eo koa ny fiasana saina momba ny ankohonantsika. Ary tsy mora lalandava ny raharahantsika andavanandro, tsy maintsy mitady izay handoavana ny hofantrano, hananana hanina sy fitafiana ho an’ny ankizy. Rehefa tonga ny faran’ny herinandro dia mbola tsy maintsy mitady hanina ho an’ny andro roa tsy hiasana, manao ny asa madinidinika niandry ; ary farany, tsy misy fotoana hialana sasatra intsony, afa-tsy mijery fahitalavitra…

Koa aiza no hahitana ny tena fitsaharan’ny fanahy sy fontsika ? Jesosy irery ihany no afaka manome izany antsika. Tsy nitsahatra mihitsy Ilay Zanak’Andriamanitra fony tetỳ an-tany, fa nanasoa ny olona rehetra ; tsy sasatra mihitsy nitory ny Filazantsara, na dia „sasatra… tamin’ny nalehany” aza (Jaona 4:6). Nefa Izy dia nihevitra ihany koa ny fitsaharana feno ho an’ny olombelona. Nantsoiny manokana ny mpianany, rehefa niverina avy nanatanteraka ny asa nanirahany azy ireo, ary nilazany hoe : „Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely” (Marka 6:31).

Nanalavitra antsika tamin’ny Tompo ve ny hazakazaky ny fiainana ? Nanjary rera-tsaina sy kizitina ve isika noho izany ? ary mijaly mihitsy aza ? Ndao haka fotoana isanandro, hihataka amin’ny tabataba rehetra, mba hiala sasatra miaraka amin’i Jesosy, hihaino ny feony amin’ny alalan’ny Baiboly, hanambara aminy ny hasasarantsika sy ireo zava-manahirana antsika ; dia hamaly antsika Izy, hanome antsika ny fitsaharany sy ny fiadanany lalina.