Alarobia 30 Avrily 2025

Simona Petera… niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo, ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo… fa voavalona mitokana. Jaona 20:6-7

Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana. Lioka 24:5-6

 

Ny fasana foana sy ny lamba voavalona

Tsara vakina : Jaona 20:1-10

Vao mangiran-dratsin’ny alahady maraina i Maria Magdalena dia nankany amin’ny fasana nametrahana ny fatin’i Jesosy. Kanjo hagagana ! fa efa voakodia ny vato lehibe nanidiana ny varavaram-pasana. Koa nihazakazaka i Maria nankany amin’ny mpianatra, Petera sy Jaona, nilaza taminy hoe : „Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo”.

Dia lasa nihazakazaka nankany amin’ny fasana ihany koa izy mirahalahy, ka nahita fa tsy tao ny fatin’i Jesosy. Nefa nilamina ny zavatra rehetra : nipetraka tsara teo amina toerana iray ny lambam-paty, ary ny mosara nafehy ny lohany „voavalona mitokana”. Izany rehetra izany dia mampiseho fa tsy nisy naka tsy akory ny fatin’i Jesosy. Dia ho nisy nandany fotoana hamalona ny lamba toy izany ve ?

Talohan’ny nahafatesany Jesosy dia nilaza tamin’ny mpianany ny hitsanganany velona indray, nefa mbola tsy nahatakatra ny dikan’izany i Jaona, tamin’izay. Izao, manoloana ny fasana foana izy dia „nahita ka nino”. Koa vavolombelona nahita maso izy no nanambara mazava ao amin’ny filazantsarany ireo tsipirian-javatra momba ny lamba namonosana ny Tompo ireo. Nataony izany, mba hino koa isika.

Eny, foana ny fasana : nitsangana velona indray Jesosy, Ilay olona napetraka tao.

Tsy vitan’ny hoe nivoaka ny fasana fotsiny Jesosy, fa niseho tamin’olona maro, na mitokana (Lioka 24:34) na vondron’olona (Matio 28:9 ; Jaona 20:19-29 ; 21:1-14 ; Asan’ny Apostoly 1:3-9 ; 1 Korintiana 15:3-7). Ny fitsanganany velona dia fara porofo manambara fa Izy tokoa no Ilay nolazainy, dia ny Zanak’Andriamanitra !

Zava-nisy ara-tantara ny fitsanganan’i Kristy velona indray, fototra iorenan’ny finoantsika.