Talata 29 Avrily 2025
Izy (Andriamanitra) ihany no manana ny tsy fahafatesana, mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’olona sady tsy hainy jerena ; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. 1 Timoty 6:16
Tsy nisy nahita an’Andriamanitra, na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18
Mandeha eny an-dalana ity olona iray, manaraka azy ao aoriana ny alony nateraky ny masoandro. Hay atao ny tsy mijery afa-tsy ilay aloka. Antoky ny fisian’olona iray ny aloka, ary zava-miafina. Tsy milaza na inona na inona momba io olona io ilay aloka. Iza io ? Eto an-tany isika dia tsy afaka hahita afa-tsy ny aloky ny Tsitoha, araka ny lazain’ny Salamo 91. Sady mari-panatrehana izany, no zava-miafina.
„Ianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Israely sady Mpamonjy ô”, hoy ny vavaky ny mpaminany Isaia (45:15). Rehefa miafina ny olona iray, dia tsy afaka ho hitantsika, nefa hitantsika ny alony indraindray. Toy izany koa Andriamanitra. Tsy afaka haneho ny tenany amin’ny famirapiran’ny voninahitra maha Andriamanitra Azy Izy, satria tsy ho zakantsika izany. „Tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona”, hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy (Eksodosy 33:20). Nefa kosa afaka mahita ny alok’Andriamanitra isika, rehefa tonga saina fa niaro antsika tamin’ny loza Izy, nampionona antsika tao anatin’ny alahelo, nampiarina antsika rehefa kivy isika…
Ny mampiavaka ny finoana kristiana dia izy mampahafantatra fa Andriamanitra dia tsy Andriamanitra miafina intsony, na Andriamanitra mitoetra ao amin’ny haizim-pito (1 Mpanjaka 8:12), na Andriamanitra tsy fantatra (Asan’ny Apostoly 17:23). Izy dia Ray tia antsika, mamela heloka antsika sy manangana antsika ho zanany, rehefa manatona Azy amin’ny finoana isika. Ary ny lalana mankamin’Andriamanitra dia Jesosy. Izy mihitsy no miteny amintsika hoe : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).
Ny alok’Andriamanitra… Efa nohazavain’i Jesosy tamina hazavana io aloka io, dia ny hazavan’ny fitiavana.