Alatsinainy 28 Avrily 2025
Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. Salamo 91:1
„Taloha kelin’ny nandehanako hanao ny fanompoam-pirenena ara-miaramila aho dia notoloran’ny reniko Baiboly. Nadikany teo amin’ny pejy voalohany ny Salamo 121. Mbola tsy nandray ny Tompo aho tamin’izany fotoana izany. Nefa volana vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa nanolotra ny fiainako ho an’i Jesosy aho, dia nanjary nanana lanja tena lehibe tamiko io salamo io.
Vetivety foana aho dia tafajanona ho irery tany Sicilia (nosin’i Italia, tendrony atsimo) nandritra ny herinandro maromaro. Tsy nanana fiombonana tamina rahalahy ara-pinoana aho, ary tsy nahita fampianarana ara-Baiboly mba hitarika ahy eo amin’ny dingana vao manomboka nataoko, ka voatery niatrika karazana tsindry sy fakampanahy maro. Tena fanina ara-bakiteny aho, nanoloana ny tebiteby naterak’izany tato anatiko. Tamin’ireny fotoana ireny dia naneho ny heviny lalina tamiko io salamo io. Namelombelona ahy ny teny tsirairay, ny fampanantenana tsirairay novakiko. Hoy ny andininy faha-5 : „Jehovah no fialofanao (alokao) eo amin’ny ankavananao”. Misy akaiky antsika kokoa noho ny alotsika ve ?
Koa raha vao misalasala ny amin’ny fanatrehan’Andriamanitra eo anilako aho, dia manangana ny tanako manoloana ny masoandron’i Sicilia, ka rehefa mahita ny aloky ny tanako ankavanana aho, dia tony. Teo Andriamanitra, tsy nandao ahy. Hilaza tsiambaratelo aminao aho : 20 taona mahery atỳ aoriana dia misy fotoana mbola anaovako izany…
Mandritra ny fiainanao manontolo ianao dia tsy maintsy hiatrika fandraisana fanapahan-kevitra, na fanamby lehibe, fandaminana fifandirana, fifandraisana vaovao, ary azo antoka fa mbola ho tojo hadisoam-panantenana na fakampanahy… Nefa ao ambadik’izany rehetra izany, dia aza hadino fa eo Andriamanitra, Izy no fialofanao (aloky ny tananao).”