Alahady 27 Avrily 2025

Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy. 1 Jaona 5:21

Ianareo mivavaka amin’izay tsy fantatrareo ; izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray… Ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Jaona 4:22-23

Dia namaly (an’i Jesosy) Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro ! Jaona 20:28

 

Iza no tena tianao dia tianao ?

Ny fiteny hoe „tena tiako dia tiako” (je l’adore) dia misy mampiasa mora foana iresahany ny sôkôlà, na ny sakany, na namana. Nanjary mahazatra ireo olona ireo io fiteny io, hilazany hoe „ankasitrahiko” na hoe „tiako”.

Nefa ny hevitra voalohany ambaran’ny matoanteny „adorer” dia hoe „mitsaoka an’Andriamanitra, na izay heverina ho andriamanitra”. Ary io hevitra io aza, izay tena lavitra ny fiainan’ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika, dia maha tonga saina rehefa heverintsika ny fankafizana tsy misy fetra kalazana mpanao fanatanjahantena na fampisehoana, fankafizana manosika olona iray hanokana ny fotoanany, heriny, volany ho an’ilay „sampiny”… Ny asa na ny fialamboly koa dia mety haka ny toerana voalohany eo amin’ny fiainana, ary hibahana ny saina sy hery manontolo. Ka tsy misy fotoana intsony hisahanana zavatra hafa !

Ilay Mpahary izao tontolo izao, Izay Mpamonjy izao tontolo izao koa, dia mendrika ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika. Izy irery no hany mendrika ny fitsaohana. Izy irery no lehibe, Izy irery no masina, Izy irery no lavorary eo amin’izay rehetra ataony sy lazainy, Izy irery no ambonin’ny zavatra rehetra sy ny olona rehetra. „Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra” dia avy aminy, Izay tsy afaka handiso fanantenana, satria „tsy misy fiovaovana” (Jakoba 1:17). Tsy takatry ny saina ny fiandrianany, tsy misy fetra ny heriny, ary ny fitiavany dia niseho tamin’ny fomba tsy manan-tsahala, tamin’ny nanomezany an’i Jesosy Kristy.

Io Andriamanitra tsara sy marina ary masina io dia mitady mpitsaoka manatona Azy tsy amin-tahotra, satria mahafantatra fa tiana sy voavela heloka. Manan-jo Izy hahazo izany haja avy ao anaty fontsika lalina izany, fa tsy avy eo amin’ny molotsika fotsiny, noho ny maha Izy Azy sy ny nataony.