Asabotsy 26 Avrily 2025

Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny, ka manidintsidina eo ambonin’ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany, sy nandraisany azy, ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany — Jehovah irery no nitondra azy. Deoteronomia 32:11-12

Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Deoteronomia 33:27

 

Ndao handinika ny voary (3)

Ny anjara asan’ny ray

Ao amin’ny sokajin’ny biby, ny lahim-biby sasany dia mikarakara manokana ireo zanany. Araka izany, eo amin’ny sahomborera (rainettes) misy poizina, dia ny ray no mikarakara ireo zanany, mibaby azy mba hitondra azy eo amin’ny dobo mifanakaiky eo.

Ho ana karazan-drajako iray (babouins) dia ny lahiny no mampilalao ireo zanaka keliny, miara-manao tsingolobatita aminy ao anaty vovoka. Toa mampitony ny rajako kely ny maha eo akaiky ny rainy, ary mihazona azy ireo hilamindamina.

Ny emoa any Aositiralia, vorona lehibe indrindra manarakaraka ny aotirisy, dia ray mahavatra mikarakara. Izy no manorina ny akany, ao anatina lavaka, asiany tapa-kazo madinika, ravin-kazo mbamina bozaka ; ary izy koa no mikotrika ny atody. Karakarainy ny zanany, mandra-pahatonga azy ireo ho herintaona sy tapany eo ho eo, ary ampianariny hitady ny haniny sy handositra ireo fahavalony.

Ny lava vombo (macropode) dia trondron-dranomamy tsara tarehy manana loko marevaka aoka izany. Ny lahy no mamboatra akany amina bontsina mafy vita avy amina tsiloliloly avoakan’ny vavany. Apetrany ao anatin’ireo ny atodin’ny vavy, ary arahiny maso mandra-pahafoiny.

Indrisy fa tsy ny ankizy rehetra no manana ray tia toy izany eo anilany… Nefa ireo rehetra mino ny Tompo Jesosy kosa dia manana an’Andriamanitra ho Rainy. Hoy ny Tompo : „Ny Ray dia tia anareo” (Jaona 16:27). Afaka mametraka izay rehetra fanahiantsika amin’Andriamanitra Raintsika isika, satria Izy no miahy antsika (1 Petera 5:7). Mba hampianaran’ny voromahery ny zanany hanidina, dia tsy maintsy atosiny ho any ivelan’ny akany izy ireo, fa izy kosa manidina eo akaikiny, mba ho antoky ny fiarovana azy ireo. Ndao hianatra hijery ny „sandry mandrakizain” Ilay Andriamanitsika mahatoky, izay mitsotra eo ambanintsika.