Zoma 25 Avrily 2025
Koa raha ny Zanaka (Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36
Izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana. 2 Korintiana 3:17
Ny borikidia, izay hita hatraiza hatraiza eran’i Azia manontolo fahiny, ao amin’ny Baiboly dia sary maneho ny olombelona araka ny toetra maha izy azy : ny olombelona dia teraka toy „ny zanaky ny borikidia” (Joba 11:12). Tsy manasohaso azy mihitsy izany ! Ary manohy ny famariparitany ny olombelona rehetra ny Baiboly : „Fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (Romana 7:18). „Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany” (Genesisy 8:21). „Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra” (Romana 3:23).
Miezaka ny olona hifehy sy hanori-dalana io toetra maha izy azy io, amin’ny alalan’ny fanabeazana, ny fanofanana ary ny lalàna, miseho ho tsara kokoa izy etỳ ivelany, nefa ny ao anaty fony lalina ao dia tsy miova. Ao anatintsika mandrakariva io toetra „dia” io, ny fontsika dia manosika antsika hanao izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny borikidia dia te hanana fahafahana, te hiala amin’izay rehetra mety ho fatotra. Izany indrindra no hafetsen’ny devoly, hamitahany ny olona : „Mivelara ianao, ialao ireo faneriterena, dia ho afaka ianao !” Nefa lainga lozantany izany : mihevi-tena ho afaka ny olona, nefa ny marina dia hoe gadran’i Satana izy.
Ho ana kristiana, ny tena fahafahana dia ny miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra, mikatsaka izay hahafaly Azy, mitoetra ao amin’ny fiombonana aminy. Izany dia mifanohitra amin’ny fanandevozana, izany no fanafahana. „Koa raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo” (andinin-tSoratra Masina androany). „Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika ; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ny zioga fanandevozana intsony” (Galatiana 5:1).