Alakamisy 24 Avrily 2025

Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Kolosiana 3:1

Fa izay itoeran’ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo. Lioka 12:34

 

Safidy sy antom-piainan’ny kristiana

Tamin’ny fahagolantany romana, ny vahoaka dia nitaky „sakafo sy lalao” ; ary nandritra izany vanimpotoana izany dia nisy kristiana mahatoky niafina tany anaty zohy fandevenana mampihoron-koditra. Ahoana ny fiheveran’Andriamanitra ireo lehilahy sy vehivavy natao tsinontsinona ireo ? „Izao tontolo izao tsy mendrika ho nitoerany akory” (Hebreo 11:38). Ny ankamaroan’izy ireo dia vonona hailiky ny fiarahamonina, ary ho faty mihitsy aza, ho an’i Jesosy Kristy Tompony.

Ankehitriny, any amin’ny tany tandrefana, ny tontolo izay nandà an’Andriamanitra dia tsy mampiseho miharihary hatrany ny fanoherany amina fanenjehana ara-batana, fa kosa mampiasa hery mitarika sy tsindry ara-toe-panahy tena mafy, mba haneken’ny mpino ny fomba fiaina sy fisainan’io tontolo io. Nefa na izany aza, tsy miova ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra, mazava sy tsy miolakolaka, hoe : „Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany” (1 Jaona 2:15-16). Tsy antsoina isika hankahala na hanao tsinontsinona ity tontolo ity. Ny Tompo tsy mangataka antsika hiala teto amin’izao tontolo izao (Jaona 17:14-16). Nefa hentitra indrindra Izy milaza hoe : „Izay itoeran’ny harenanareo, dia ho any koa ny fonareo”. Eo amin’ny lalan’ny mpino dia ny fo no tokony hibaiko ireo safidiny ; ny fitiavana ny Mpamonjiny no tokony hitarika ny ataony. Ny fifandraisana velona amin’i Jesosy, izany ihany no afaka hiaro azy amin’ny fitarihana mandoza ataon’izao tontolo izao, izany ihany ho hahazoany miaina tahaka „zanaky ny mazava”.