Alarobia 23 Avrily 2025

Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny…, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? Romana 2:4

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra. Efesiana 2:8

 

Fahasoavana tsy mendrika ho azo

Efa tonga taminao ve ny nanao zavatra kely variraiventy ho an’olona iray, namana, na fianakaviana, ka nahazo fanomezana tsara tarehy ho valin’izany ? Tranga vao niainako manokana izany, ary tena nanohina ahy fatratra. Nikaviavia izaitsizy aho, nanao zavatra bitika iray, nefa dia nahazo fanomezana tsy mendrika ahy mihitsy, ho setrin’izany ! Hatsaram-po toy inona moa ny an’ireto namako ! Ahoana ny fomba hisaorako azy ireo ? Mari-pankasitrahana inona no afaka atolotro azy ireo ? Izany dia nitarika ahy hieritreritra momba ny fahasoavan’ny Tompo Jesosy, momba ny hamoram-panahiny. Inona no mba nentiko ho eo an-tongotr’i Kristy ? Asa soa ve ? asa fanasoavana ? fanomezana ? Nefa raha zohina, inona no afaka entina ho Azy ? Satria mantsy „finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna” (Romana 3:28). Tsy nisy nentiko teo amin’Ilay Zanak’Andriamanitra, afa-tsy ny halotoako, ireo fahotako. Ny fahadisoako dia enta-mavesatra nentin’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana (Salamo 38:4), rehefa nanonitra ny otan’izao tontolo izao Izy. Nizotra mahitsy nankamin’ny fahafatesana mandrakizay aho, satria „fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Jesosy kosa dia nanome ny fiainana mandrakizay ho ahy noho ny hamoram-pony tsy hita lany sy ny fahasoavany tokoatokoa : „Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika”. Io fanomezana io dia efa sitrahiko sahady ankehitriny ; nomeny ny fiadanan’ny fo sy fieritreretana aho, atolony ahy isanandro ny fanatrehany sy ny fanohanany. Izany no antony ahafahako miara-miteny amin’ny mpanao ny Salamo 23 hoe : „Ny kapoakako feno dia feno” (and 5). Nanao ny zavatra rehetra ho anay Ianao, ry Jesosy, Nanao ny zavatra rehetra ho famonjena anay. Ho famelana ny fahotanay Dia tonga Ianao, nanolotra ny tenanao.