Talata 22 Avrily 2025
(Hoy Jesosy :) Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20
„Nividy Baiboly aho, ary nihaino ny Filazantsara tao amin’ny radio isamaraina amin’ny dimy. Indray andro, tao anatin’ny fanginan’ny maraina, dia nangatahiko ny Tompo Jesosy mba handray ahy. Novaliny teo no ho eo aho. Nahatsapa mazava ny fisiany tao anatin’ny foko aho, hany ka nitomany. Tena mahatalanjona sy feno famindrampo ny Tompo. Nanjavona niala teo amin’ny fiainako ilay enta-mavesatra nanindry ahy.
Io no andro niovako fo ho an’i Kristy, na dia tsy haiko nohazavaina aza, tamin’izay fotoana izay. Rehefa nitsangana avy nivavaka aho dia nahatsiaro ny tenako ho maivamaivana sy sambatra. Dia niova tanteraka ny fiainako : feno hafaliana ny foko, zavatra tsy mbola tsapako mihitsy teo aloha.
Telopolo taona no lasa hatramin’io fotoana io, ary tsy nanenina mihitsy aho nanao io dingana io. Mazava ho azy fa nisy zava-nanahirana teo amin’ny fiainako taorianan’izany, nefa teo mandrakariva Andriamanitra nanampy ahy, nampahery sy nampionona ahy. Misaotra ny Tompo aho, amin’izay rehetra nataony ho ahy sy ny ankohonako, amin’izay ataony sy mbola hataony.”
Nahita an’i Jesosy izany io olona io, nahita ny fiadanany, ny fifaliany. Tsy azonao angamba ny lalana nodiaviny, ka dia mitoetra irery tsy miraika amin’ny fijoroany ho vavolombelona ianao. Fantatrao ve fa ny Baiboly dia mampiseho an’i Jesosy ho Ilay mandondòna eo amin’ny varavaranao ? Vohay Izy ! Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe : lazao Azy ny manavesatra anao, ny tsy fahatakarana anao, ny hatezeranao aza angamba ; lazao amin’ny teninao, ankitsimpo. Jesosy dia mihevitra tsara ny fijaliana. Tia anao Izy, misy famelan-keloka eo aminy, malemy fanahy sy tsy miavona am-po Izy ; aza avela hijanona eo am-baravarana Izy, fa raiso ho ao amin’ny fiainanao.