Alatsinainy 21 Avrily 2025
Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina ; dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina. 1 Korintiana 15:3-4
(Jesosy) niseho koa tamin’ny famantarana maro taorianan’ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy (tamin’ny apostoly) efapolo andro. Asan’ny Apostoly 1:3
Nitsangana velona indray Jesosy Kristy, velona Izy ankehitriny ! Nampisamboaravoara izao tontolo izao io tranga tokana io, ary nanova ho mandrakizay ny fizotran’ny tantara. Ao amin’ny Baiboly ny apostoly Paoly dia manazava ny maha zava-dehibe ny fitsanganana velona indray :
— Tamin’ny nahafatesany, Jesosy dia nanadio ny lasa feno fahamelohan’ireo izay mino Azy.
— Nijanona hateloana tao amin’ny fahafatesana Izy, avy eo natsangan’Andriamanitra velona indray, araka ny nambaran’ireo vavolombelona maro nifanerasera taminy.
— Ny fitsanganan’i Jesosy velona indray no fototry ny finoantsika ; raha tsy nisy izany, dia mirodana avokoa ny zava-drehetra. „Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo” (1 Korintiana 15:17). Fa raha mino kosa isika, dia hahatakatra zavatra lehibe momba ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana.
— Toy ny nitsanganan’i Jesosy velona indray sy ny nitafiany vatana feno voninahitra, ny mpino rehetra, na ny velona na ny efa maty amin’izay fotoana izay, dia hitafy vatana vaovao rehefa hiverina indray Jesosy.
— Tamin’ny nitsanganany velona indray Izy dia nandresy ny fahafatesana sy ny horohoro naterak’izany. Fahavalo efa resy ny fahafatesana, manomboka izao. Tsy atahoran’ny mpino intsony ny fahafatesan’ny nofo.
Zava-nisy ara-tantara ny fitsanganana velona indray. Tsy fiafaran’ny tantarantsika tsy akory ny fahafatesana : misy fiainana aorianan’izany, efa nisy Iray niverina avy any mba hilaza izany amintsika !
Nitsangana velona indray Jesosy, hitsangana ihany koa isika. Hoavy mahatalanjona ve ? Eny, saingy ho an’ny mpino ihany. Anio Jesosy, Ilay nitsangana velona indray, dia miantso antsika hino Azy, hino ny asa fanavotana nataony, handray ny fiadanany. Atolony antsika ny famonjena, ndao handray izany amin’ny finoana.