Alahady 20 Avrily 2025
Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo. Lioka 24:34
Andriamanitra… nanangana Azy tamin’ny maty ka nanome voninahitra Azy. 1 Petera 1:21
Nitsangana velona indray Kristy
Nitsangana velona indray Kristy ! Izany hira fandresena izany
Dia maka bahana mankamin’Andriamanitra, mamakivaky ny habakabaka midadasika.
Indro tanteraka ny asa fanonerana ;
Eny, „Vita !” : nitsangana velona indray Kristy.
Zakao tsy misy hovitra ny fijery mitsara anao,
Miankìna amin’i Kristy, ry kristiana navotana !
Eo an-tanany mpandresy no itadiavo fialofana ;
Efa nefainy ny trosanao : nitsangana velona indray Izy.
Kristy, mpandresy ny fahafatesana, dia manambara amin-kery
Ny fahamarinany lavorary sy ny maha Andriamanitra Azy ;
Miaraka amin’ny kristiana rehetra, ndao hitsaoka am-panginana
An’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra : nitsangana velona indray Izy.
Kristy nivoaka ny fasana, voalohany tamin’ireo rahalahiny,
Hifoha isika, mba tsy ho faty intsony.
Nampanantena antsika Ilay Zanaka, ao an-tranon’ny Ray,
Fahasambarana mandrakizay : nitsangana velona indray Izy !
Ho tafaray ao amin’Ilay Mpanavotra velona anie ny fanahintsika ;
Ho tia amin’ny fitiavany isika, ho masina amin’ny fahamasinany,
Ndao hanomboka fiainam-baovao etỳ an-tany,
Eto am-piandrasana Azy avy any an-danitra : nitsangana velona indray Izy !
Édouard Monod