Asabotsy 19 Avrily 2025

(Hoy Andriamanitra :) Mankanesa atỳ amiko — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3

Kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra. Lioka 11:28

Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva. Asan’ny Apostoly 24:16

 

Mifandray tsara

Adala lalao video i Alex (14 taona), ka nandany fotoana betsaka kokoa teo anoloan’ny solosainy, noho ny fotoana tokony hianarany. Sosotra mafy ny rainy, ka nibedy azy momba izany, hoe : „Fa tsy mba mihaino ny feon’ny fieritreretanao mihitsy ve ianao e ?” ; tsy taitra akory ilay zatovolahy namaly hoe : „Tsy fantatro, Dada a ! „tranonkala” inona moa no misy izany ?”

Ny fieritreretana dia ilay fahaiza-manao nomena ny olombelona, ahafahany manavaka ny tsara sy ny ratsy. Toy ny tondroavaratra manondro ny fitodiana no fiasany. Saingy, toy ny tondroavaratra diso fanondro raha sintonina andriamby mahery, na ny GPS tapaka fifandraisana, ny fieritreretantsika dia mety ho disoina hery mahatarika isan-karazany manimba azy. Miharihary fa ankehitriny ny ratsy dia matetika antsoina hoe tsara, ary ny tsara hoe ratsy (Isaia 5:20). Koa ahoana àry no hatao ? hananana indray fieritreretana voalamina tsara. Izany dia hay atao amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ny feon’Andriamanitra. Aiza no mandray io feo io ? Andriamanitra dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. Ambarany ankarihary ao ny maha mpanota antsika, mendrika ny fitsarany ; nefa hazavainy amintsika ihany koa fa nanome Mpamonjy ho an’ny olombelona Izy, dia Jesosy Kristy Zanany. Io Mpamonjy io no nizaka, toy ny hoe nataon’ny tenany, ny fahotan’ireo rehetra mino Azy. Maty Izy hamonjy antsika, nefa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona indray, maneho amin’izany fa afa-po tanteraka tamin’ny sorona vita Izy.

Ndao àry isika „hanokatra” fifandraisana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fihainoana ny Teniny. Ka rehefa voakasiky ny hafatr’Andriamanitra ny fieritreretantsika, dia hitarika antsika mba hanaiky io hafany mitondra fahasoavana io, ary avy eo, mba hiainantsika araka izay mahafaly Azy.