Zoma 18 Avrily 2025

Miverena ianao… hoy Jehovah ; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho ; fa mamindra fo Aho. Jeremia 3:12

Tamin’ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo. Salamo 77:2

 

Ahoana no nanovan’i Jesosy Kristy ny fiainako ? (1)

„Nihalehibe tao amina ankohonana be herisetra aho. Mamo lava ny raiko ary namono matetika ny reniko. Sakanany izahay tsy hifanerasera amin’izay rehetra mety hanan-draharaha amin’Andriamanitra. Hoy izy : „Tsy misy Andriamanitra”. Nefa indray mandeha ny renibeko niresaka tamiko momba an’Andriamanitra, ary izany no nanakana ahy tsy hamono tena.

Nony 12 taona aho dia tsy zakako intsony ny fiainana. Nefa isaky ny nieritreritra hanapitra ny aiko aho, dia tonga tato an-tsaiko ny fiheverana an’Andriamanitra, Izay tiako na tsy fantatro akory aza. Resy lahatra aho hoe na tsy tia ahy sy nankahala an’Andriamanitra aza ny raiko mahery setra, dia tsy maintsy tsara kosa Andriamanitra.

Nanambady aho rehefa 19 taona, nefa nitohy hatrany ny fifandirana. Niady tsy tapaka tamin’ny vadiko aho. Nanan-janaka iray izahay, ka nihevitra aho fa hihatsara ny fandehan-javatra. Nefa vao mainka niharatsy izany, ka ketraka aho. Nieritreritra an’Andriamanitra aho, nefa nisalasala ny hivavaka aminy mba hanampy ahy.

Indray andro dia tonga nitsidika ahy ireo rahavaviko, niaraka tamina namana vitsivitsy. Niverina ny iray tamin’izy ireo ny ampitso. Nahatsikaritra ny fanafodiko izy ka nanontany ahy momba ny fahasalamako. Niaiky aho fa tao anaty harerahan-tsaina. Dia nanomboka niresaka tamiko momba an’i Jesosy Kristy izy, momba an’Andriamanitra sy ny fitiavany ahy.

Nasehon’io kristiana io ahy fa nihevitra ny momba ahy Andriamanitra. Talohan’izany aho dia nanao ny tenako ho tena tsy nisy nilana ahy, nihevitra fa tsy nahaliana an’iza na iza. Nefa tamin’izay indrindra no nandrenesako ilay zava-mahatalanjona hoe : mihevitra ny amiko Andriamanitra !”

(hitohy)